Hifarana ny taona – Saika tsy milamina avokoa ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena

Sôh’son

Hifarana ny taona ity, ary farany vao mainka mihamafy sy miharatsy aza ny fiainam-bahoaka. Tsy milamina avokoa ny saika sehatra rehetra mihitsy amin’ny fiainam-pirenena: na ara-politika, na ara-toekarena, ary indrindra ny ara-tsosialy. Mba namakivaky ny 365 andro ihany, fa azo lazaina ho niala- maina ny vahoaka Malagasy. Tsy hita mazava izay politika nataon’ny fitondrana Rajoelina nanarenana ny fiainam-bahoaka. Ny fiainany tamin’ny taona 2020 ihany no fiainany tamin’ity taona ity. Tsy nisy fiovàna azo tsapain-tanana nasehon’ny mpitondra, fa ny fomba fiasany tany am-piandohana ihany no mbola hita ankehitriny. Tsy nisy fiezahana matotra hifanatona amin’ny vahoaka, fa zary kabary politika mampandry adrisa no natao ireo olona izay natao hihaona aminy teny ankalamanjana na kianja. Avy eo “mirava samy marina”, fa ny “noterena an-kolaka”, hanatrika azy, tonga mba hihoraka sy hitehaka fotsiny; izy nanao izay fampanantenana vôlaña an-tenda mba “hampatoritoriana hanaterako hena” ireo nantsoina, nahavita ny asany natao isehosehoana mba ihazonana seza. Dia mijanona tsy misy tohiny intsony iny avy eo, ary tsy misy akony ihany koa amin’ny vahoaka sisa ivelan’izany. Toy izay hatrany no nitranga tamin’ity taona ity.

Niaraha-nahita tsara ihany koa ny politika nataon’izao fitondrana Rajoelina izao amin’ny fametrahana “vato” isarangotana, hahafahana mifahatra eo amin’ny fitondrana. Ny kentrina no tsy hahatakatra ny politikany ao anatin’izany. Ary matoa manao izany izy sy ny ekipany, dia tsy matoky tena mihitsy amin’ny zavatra vitany teto amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay telo taona izay. Ary raha ity taona 2021 ity no banjinina, dia raha ho an’ny mpampianatra mpanome naoty dia mbola tsy mahazo salan’isa na “moyenne” ny naoty azon’izao fitondrana izao. Mbola latsaka lavitra hatrany aza ny isa azony. Mbola mila ezaka, ny soratany eo amin’ny fanamarihana amin’ny “bulletin”. Ary telo taona tsy misy fivoarana ny mpianatra iray ao amin’ny kilasy iray, efa “triplant”, dia mazava loatra, miverina any amin’ny fianakaviana “remise à sa famille” no sahaza azy sy fepetra raisin’ny sekoly. Fa eto: fitondrana, fitantanam-pirenena no resahana, hanantena inona amin’izao fitondrana izao ny vahoaka Malagasy? Amin’izao faran’ny taona izao, inona no hantenain’ny vahoaka Malagasy amin’ny kabariny? Kabary tsara lahatra izay efa iaraha-mahalala. Tsy efa nisy indroa izay no nataony, fa nampiova inona tamin’ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka moa? Ny fiainam-bahoaka mirotoroto lava isan’andro miatrik’olana maro samihafa amin’ny fitadiavana mba ho velona. Avy eo koa mbola darohana amin’ny lakrimôzena indray izy, mba hiforitra tsy ho afa-miteny mamoaka ny ao am-pony amin’ny manjo azy. Ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka anefa, mbola ho volan-kankafotra ny taona 2022 ho an’ny fiainam-bahoaka.