Fifamoivoizana – Miha-potika koa ny lalampirenena faha-4

Aly

Anisan’ny lalampirenena miha-potika koa amin’izao fotoana ny lalampirenena faha-4 (RN4), mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Efa iharan’izany fahasimbana izany ny lalampirenena faha-2, mankany Toamasina; ny RN7 mankany Toliara; ny RN6 Ambondromamy Antsiranana; ny RN44 Moramanga Ambatondrazaka;…

Izao koa dia ahitana lavaka sy rano mihandrona eny ampovoan-dalana ny RN4. Efa manomboka simba ihany koa ny lalam-pirenena RN4, izay mampitohy an’Antananarivo amin’i Mahajanga sy ny any amin’ny tapany Avaratry ny Nosy iny. Misy ny ampahany amin’ity RN4 ity no ahitana rano mihandrona eo ampovoan’ny arabe, toy ny misy any amin’ny toerana any amin’ny 88 km tsy hidirana ny tanànan’i Maevatanana, any amin’ny faritra Betsiboka.

Miditra amin’ny fotoam-pahavaratra isika amin’izao fotoana, vao mainka hiha-simba hatrany ireo lalam-pirenena eto amintsika ireo noho izany.