Kaominina Ivato – Maro ny asa vita tamin’ito, be ny mbola hatao amin’ny 2022

Stefa

Amin’ny andro ankatoky ny fety toy izao, tsy diso anjara amin’ny fijerena ireo olona sahirana sy marefo ary zokiolona ao amin’ny kaominina, ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo, tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ny ekipany. Tamin’ity herinandro ity, nanolotra karazana solombodiakoho ho an’ny olona miisa 1000 mahery, avy amin’ireo fokontany miisa 13 mandrafitra ny kaominina ny fiadidiana ny tanàna, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Ivato, Andrianjakarivony Manitra. Zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro no natolotra tamin’izany, ahitana: vary, voamaina, savony, kafe, paty, izany hoe sakafo ilain’ny olona amin’ny fiainany andavanandro.

Izao hetsika izao hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Ivato dia herimpon’ny kaominina madiodio, notohanan’ireo mpiara-miombon’antoka, mpandraharaha, orinasa ary malala-tanana ao anivon’ny fiadidiana ny tanàna. Efa fanaon’ny kaominina isaky ny fety ny hetsika ara-tsosialy fiahiana ny mponina toy izao, na eo aza ny fahasahiranana ankehitriny. Ireo olona nisitraka ny fanampiana: ireo manana fahasembanana sy marefo ary ireo zokiolona. Efa manana ny lisitr’izy ireo ny kaominina, ka ampiasaina hatrany izany, isaky ny misy fizarana fanampiana toy izao. Io lisitra io dia azo noho ny fidinana ifotony nataon’ny mpiasa misahana ny raharaha sosialy ao amin’ny kaominina, sy ny teo anivon’ny fokontany any an-toerana.

Noho ny firongatry ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana, manentana ny rehetra hanaja ireo fepetra sakana ara-pahasalamana hatrany ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Ivato, Andrianjakarivony Manitra. Ny amin’ny taona ho avy 2022, be ireo tetikasa mbola ho tanterahan’ny kaominina Ivato, ilana ny fiaraha-miasa amin’ny mponina hatrany anefa izany hoy izy, ny tanjona dia Ivato mamirapiratra: mamirapiratra ara-toe-tsaina, mamirapiratra amin’ny fandrosoana, mamirapiratra amin’ny fanaovana foto-drafitrasa, mamirapiratra amin’ny fahadiovana. Ny hahatontosana izany dia havadika ho foto-drafitrasa ny hetra, havadika ho an’ny mahasoa ny vahoaka.

Farany, ny kaominina Ivato, hoy ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna dia mirary taona 2022 sambatra, ho an’ny vahoaka Malagasy.