Fidangan’ny vidim-piainana – Tsy nahitam-bokany ny ezaky ny fitondrana hatreto

Rajo

Vao nitana ny toeran’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny ministra Edgard Razafindravahy, dia nidina avy hatrany tany amin’ny faritr’Alaotra Mangoro ary nilaza fa handraisana fepetra ny vidim-bary. Taorian’izay dia mbola nidina tany amin’ny faritra hafa ihany koa. Vao tamin’ny herinandro lasa teo indray dia nijery ny fivarotan’ireo olona entana lany daty, toy ny vovodronono teny Anosibe sy ny paty niaraka tamin’ny vatomamy teny Isotry. Hatreto anefa dia tsy mbola nahitana fidinana izany vidin’entana ilaina andavanandro izany, raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny vary, ny menaka, ny siramamy sns… ary vao mainka aza miakatra izany amin’izao ankatoky ny fety izao. Izany hoe tsy mbola hita hatreto izany fandraisan’andraikitry ny fanjakana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana izany, efa mampikaikaika ny vahoaka malagasy ankehitriny.

Tsy ny vidim-piainana andavanandro ihany, fa miakatra ihany koa ny saran-dàlana avy eto Antananarivo mankany amin’ny faritra sy ny faritany. Tsy hita izay fandraisan’andraikitra, fa raha saika hanentana ny olona ihàran’ny fisondrotry ny saran-dàlana aza ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, dia tsy nahazo alàlana hanao izany ary lasa resaka fifamaliana sisa toy ny teny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Tsy vitan’izany, fa mbola gaboraraka ihany koa ny tsy fanajan’ny olona sasany ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana, satria mbola vitsy no mitondra aro vava sy orona, ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanaovana vaksiny sns… Hany ka mitombo ireo tatry ny covid-19. Ny tsy fandriampahalemana moa tsy lazaina intsony na eto an-drenivohitra na eny ambanivohitra. Mandry tsilavoloha ny mponina, satria tsy misy atokisany intsony.

Fanontaniana sisa no apetraky ny vahoaka hoe: ahoana ihany no hiafaran’ity firenena ity, satria ny mpitondra migalabona amin’ny harem-pirenena, fa ny vahoaka madinika dia tofezaky ny hanoanana sy mizaka ny tsy eran’ny aina lava. Akory atao fa izay ilay hoe: ny fifalian’ny hafa, fahorian’ny sasany. Na izany na tsy izany, misy fetrany avokoa anefa ny zava-drehetra…