Ambatomaro – Vazaha mpisetrasetra saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Helisoa

Mikaikaika ny mponina eny Ambatomaro Boriboritany faha-5 eto an-drenivohitra, amin’ny hafitsoky ny vazaha iray miasa ao amin’ny orinasa AKANJO ao Ambatomaro antsoina hoe Francois. Efa hatramin’ny ela izy io araka ny fitantaran’ny mponina eny an-toerana rehefa mandalo eo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe 147D dia mandeha mafy be ny fiara entiny nefa ny làlana tery, ny mpiandry bus maro ary ny mpianatra kely handeha hianatra betsaka.

Ny olana dia eo ihany koa ny bus rehetra no manao “manoeuvre” na mihodina. Isaky ny mandalo anefa ity teratany vahiny ity dia mila miala daholo ny rehetra fa azy hono ny làlana. Rehefa tery loatra, ka miandry elaela izy dia mitabataba, sady mifofofofo handeha hiditra ny vavahady ao amin’ny toeram-piasàny ihany. Mifamaly amin’ny saofera sy mpanampy azy ity farany ary vitany ny manimba ny fitaovana toy rétroviseur an’ny bus, fa tsy misy tohiny io na potika any aza. Misy ny fifampiresahana atao amin’i Francois mikasika ny loza ateraky ny setrasetra ataony, fa ny valinteny azo aminy araka ny fitantaran’ny mponina ihany dia ny fitenenana fa “vidiako amin’ny kilao ny taovan’ialahy raha maty voadonako”.

Nitohy ihany omaly ny setrasetra nataon’ity teratany vahiny ity tamin’ny mpiara-mponina tao Ambatomaro. Nifanena tamin’ny fiara iray ity farany, naka sisiny niaraka tamin’ny bus ilay fiaran’olon-tsotra. Nanao ny nataony toy ny mahazatra i Francois, ka nasiany totohondry ny rétroviseur, rehefa hitany hoe tsy vaky dia natontany niparitaka tamin’ny tany dia lasa izy nandeha niditra tao amin’ny orinasa AKANJO. Niandry azy hifampiresaka hatrany ireo mponina, kanjo tsy nivoaka izy. Efa sorena tanteraka ireo fokonolona ao Ambatomaro vokatr’izany ary saika tonga tamin’ny fitsaram-bahoaka mihintsy, raha tsy nisy ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitry ny fokontany, niezaka nandamina ireo mponina. Nentina nihazo ny kaomisaria foibe ilay vazaha taorian’izay. Raha ny vaovao azo farany dia toa nalefa nody ilay vazaha mpihetraketraka, ka nilaza ity farany fa hiresaka amin’ny fokonolona ao an-toerana.