Dr Fidy sy ny kaominina Ambohibao Atsimo – Lanja miakatra ny fampandrosoana amin’ny taona 2022

Rajo

Nisongadina nandritry ny jery todiky ny taona 2021, tao amin’ny kaominina Ambohibao atsimo, distrikan’i Manjakandriana ny sehatry ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny. Fanazavana nentin’ ny ben’ny tanàna, dokotera Fidy Bariniaina io, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy.

Santionany tamin’izany ny fahavitan’ny Lycée fanampiny misy efitra roa, izay tohana avy amin’ny fitondram-panjakana, teo ihany koa ny dabilio ho an’ny Lycée sy ny Ceg any an-toerana. Ankoatr’izay, nahazo jiro ihany koa ny Lycée sy ny Ceg natao hanazava ireo sekoly ireo. Notohanana ny fokontany Ambatovikinina tamin’ny resaka rano, fanamboarana làlankely mampitohy an’Ankazotokana sy Ambohibao. Tsy nijanona teo, fa notohanana tamin’ny zezika sy masomboly ihany koa ny tantsaha ary notohanana ara-pitaovana ny mpanao fanatanjahantena.

Santionany ireo, fa ny dingana manaraka raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna ihany dia ny fanampiana amin’ ny jiro mandeha amin’ny herin’ ny masoandro, ny famitana ny làlana atao rarivato, ny tetezana ao amin’ ny fokontany Ambohitra ary ny fanohanana ireo tantsaha amin’ny masomboly sy zezika ihany koa. Fanamby napetraka io raha ny fanazavan’ny ben’ny tànana ihany ary ho vitaina amin’iny taona vaovao 2022 ho avy iny.

Ho fanomezana fahafaham-po ny mponina, mandray olona isaky ny alahady hariva ny ben’ny ta-nàna aorian’ny fotoam-pivavahana ny maraina. Maro ireo avy lavitra toa an’ Ambohidratrimoanala sy Ampaneva, no tonga mizaha fahasalamana ao aminy na dia any amin’ny telo na efatra kilometatra aza no misy azy ireny. Tsy adinon’ny ben’ny tanàna ihany koa ny manentana ny olona amin’ny fanaovana arovava sy orona, ny fanato-nana mpitsabo raha misy so-ritr’aretina, ny manao vaksiny ary mihinana sakafo be otrikai-na sy vitamine, mba tsy hampi-rongatra ny aretina coronavirus eto amintsi-ka. Mirary taombao-vao 2022 sambatra sahady koa ny ben’ny tanàna, dokotera Fidy Bariniaina, mba ho taombaovao lavitry ny rofy sy hanjakan’ny fi-falia-na tanteraka no misy eto Madagasikara, hoy izy.