ERITRERITRA FARAN’NY TAONA

Tsy azo antoka intsony ho tafavoaka ny tonelina,
Fa vao mainka mihitsoka ao ny ekipany sy Rajoelina.
Fanovana maromaro no ilaina maika izao,
Ka asa indray raha hisy izany amin`ny taona vaovao.

Mila esorina amin’izay fa efa manaratsy lisitra,
Ilay namahatra hatry ny ela dia Ingahy praiminisitra.
Fa raha io no mbola ho eo, vao mainka ho maizina ny tany.
Hitohy ny hetsi-pitakiana ka tsy hisy fiafarany!

Mila alàna ihany koa ny akohovavy mpiady lava,
Dia ireo tia mampiaka-peo, miseho hatrany ho manam-bava.
Tsara esorina amin`izay tsy ho isan’ny mpanatanteraka,
Fa rah’ ’reo no mbola ho eo, vao mainka ny mpijery ho reraka!

Hadisoana ihany koa ilay hoe mamindrafindra toerana,
Fa rehefa tsy mahomby dia aleo tsy asiam-pitserana.
Tsisy hoe “akama ity” ka mba asiana fandeferana.
Havendranana raha hoe “spaoro” lasa “fitaterana”!

Mahalasa saina koa fa tena nisy nodakana
Ny olona “tsy bebe teny” sy tsy isan`ny vavàna.
Hatreto na ny solony aza tena mbola tsy voatendry.
(Sa omanina ny adala mba hisolo ny olon-kendry?)

…Ny efa tsara, toa ovàna, ny efa ratsy, mainka tanana.
Izay no marika mitory ilay atao hoe “havendranana”.
Ary tsy hisy zava-banona amin`ny taona vaovao,
Raha toa ny lohany no mbola ho matsatso toy izao!

TSIMIMALO (29-12-21)