Randrana Sendikaly – Hangotraka ny fitakiana ara-tsosialin’ny mpiasa amin’ny 2022

Franck Razakambelo

Hafana ny fitakiana ny zon’ny mpiasa ho an’ny sehatra tsy miankina amin’ny taona 2022 ho avy izao, hoy Andriamatoa Rakotomanga Barison, mpitarika ny Randrana sendikaly, satria tandidonin-doza ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara ary miziriziry tsy mihaino ny fitarainan’ireo sendikan’ny mpiasa, ny mpitantana ao amin’ny Cnaps. Nanohy fanazavana ny filohan’ny Randrana Sendikaly, fa mahatsiaro tena atao an-kilabao ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono amin’izao fotoana izao, satria mihena aok’izany ny vola raisin’izy ireo nohon’ ny kajy ataon’ny Cnaps.

Ankoatra izany nilaza Andriamatoa Barison Rakotomanga, fa mbola betsaka ireo Ray aman-dreny nolavin’ny Cnaps, tsy afaka mandray fisotroan-dronono na dia efa niasa mihoatran’ny 60 taona teny anivon’ny orinasa, satria tsy nahafeno ny latsa-kemboka teo anivon’ny Cnaps ireto farany. Nanohy fanazavana ny filohan’ny Randrana Sendikaly, fa mitaraina ireo vadin’ny mpiasa misotro ronono izay zara raha mandray vola na dia efa nikarakara ny vadiny nandritra ny 60 taona niasany teny anivon’ny orinasa iray.

Anisan’ny mampitaraina an’ireo Zokiolona mandray fisotroan-dronono ihany koa ny filaharana lava reny rehefa mandray vola, sy ny fahadisoana ataon’ny mpiasan’ny Cnaps rehefa mitsinjara ny volan’ny mpiasa. Nanao tombana mikasika ny ezaka vitan’ny Randrana Sendikaly nandritra ny taona 2021 Andriamatoa Rakotomanga Barson, nilazany fa 70% ny fitarainana nataon’ny mpiasa dia nahitana marimaritra iraisana avokoa ary efa manomboka miroso amin’ny fifampiresahana avokoa ny mpampiasa, rehefa misy olana arak’asa miseho.

Nanamafy ny mpitarika ny Randrana Sendikaly, fa nahazo vahana ny tolona sendikaly nandritra ny taona 2021 ary mitombo ny isan’ny mpiasa miditra amin’ireny sendikan’ny mpiasa fototra ireny, mba hanamorana ny fifampiresahana amin’ny mpampiasa rehefa misy olana. Nilaza ny filohan’ny Randrana Sendikaly, fa mbola nampitaraina ny mpiasa ny fitavozavozana teo amin’ny fahazoana taratasy fiantsoana ho an’ny mpampiasa eny anivon’ny “Inspecteur de travail”, sy ny “Controleur de travail” rehefa misy ny disadisa arak’asa.

Namarana ny fanehoan-keviny i Barison Rakotomanga, fa hiha-mafy ny fitakiana hataon’ny Randrana Sendikaly amin’ny taona 2022, satria tsy hanaiky ny fandaniana an’ilay volavolan-dalàna mifehy ny tontolon’ny asa vaovao, izay nalefan’ny Ministeran’ny asam-panjakana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny Randrana Sendikaly, satria manitsakitsaka tanteraka ny zon’ny mpiasa io lalàna vaovao io.