CHRR Morondava – Tsy misy “kit d’urgence”

Rajepa

Toa mahagaga sy mampalahelo ihany raha ny hopitaly be Namahora eto Morondava faritra Menabe, no tsy misy ireo kit d’urgence, na ireo fitaovana ilaina amin’ny hamehana, satria ny alin’ny 26 desambra tokony tamin’ny roa ora maraina izahay nitondra olona nisy nanafika tao amin’ny hopitaliben’i Namahora Morondava, nandray tsara ny tao amin’ny Urgence ary nanoratra ireo fanafody rehetra ilaina, nasaina noentina tao amin’ny farmasia ilay taratasy, nijery ny fanafody ny tao ary nanonona fa 41000 ariary ny fitambarany, nojerena ny vola tsy nisy nitondra vola ny rehetra ka nifampiresaka tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny farmasia ny fianakavian’ilay naratra, izay sady mpiasa ao amin’ny hopitaly ihany koa, fa tsy nanaiky ny tao amin’ny farmasia ary nilaza fa mahaleotena ny farmasia fa tsy miditra amin’ny resaky ny hopitaly, ka mila vola izy vao mamoaka fanafody satria ny farmasia tsy miankina, izany hoe privé ny farmasia ao amin’ny hopitaliben’i Namahora Morondava. Mba ho famonjena ny aina moa satria dia vaky loha ary nandeha rà be ilay naratra dia napetraka tao ny karatra maha mpitandro ny filaminana azy mandrapahatongan’ny vola vidin’ny fanafody.

Raha nanontany ireo mpitsabo moa izahay hoe : angaha isika aty tsy misy kit d’urgence dia nilaza izy ireo fa « werawera » na eboebo fotsiny izany, fa mbola tsy tonga aty. Ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny CHRR Namahora Morondava kosa vao tsy ela akory izay no nilaza fa misy ary maharaka tsara ny kit d’urgence ho an’i Morondava. Ny zava–misy iainan’ireo mpitsabo sy marary anefa tsy araka ny lazain’ny tompon’andraikitra, ka asa rahoviana vao hifarana ity « werawera » lava izay efa mihàtra aman’aina ity, satria ny fahasalamana dia ain’olona no tsaboina ao nefa dia izao anaovana fampanatenana poakaty izao, fa izay manambola ihany no mahazo fitsaboana.