Distrikan’i Morondava – Miaramila iray vao 23 taona maty voatifitry ny dahalo

Rajepa

Miaramila iray antsoina hoe Zaïre Houssen Anouvaralie, miaramila kilasy faharoa avy ao amin’ny toby BOA B2 ZRPS BRAVO Ankilizato, izay detachement ao amin’ny kaominina Analaiva distrikan’i Morondava, no lavon’ny balan’ ny dahalo ny alahady faha-26 desambra 2021 teo, raha nifampitifitra tamin’ny dahalo tao amin’ny fokotany Anjatelo, kaominina Analaiva, distrikan’i Morondava, faritra Menabe, ka dahalo telo saika handroba vola vidim-barin’ny tantsaha sady mpandraharaha iray ao an-toerana no lavon’ny balan’ny miaramila, ary iray tamin’ireo dahalo voatifitra ireo no nitifitra ity miaramila ity ka samy maty teo izy ireo.

Io no vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana, tsara ho marihina fa vao nihaodihaody nanodidina ny tanàna ireto dahalo ireto dia efa nisy nahatsikaritra, ka nandray andraikitra avy hatrany ny ray amandreny tao an-toerana niantso miaramila, ka miaramila 6 no niaraka tamin’ireo fokonolona niatrika ireo dahalo tokony ho tamin’ny 5 ora maraina.

Tsara ho marihina fa iny faritra iny izay faritra mena ary efa saika rava mihintsy tamin’ny fotoanan’ny tetezamita noho ny tsy fandriampahalemana, ka efa mba nanomboka niverina namonjy ny fonenany ireo olona nanomboka ny taona 2014 dia izao manomboka mitaintaina izao indray, satria manomboka mahazo vahana indray ireo olon-dratsy, ka mangataka ny hametrahana miaramila amin’iny faritra atsimon’ny ranon’ny Kabatomena iny ireo fokotany mitambatra amin’iny faritra atsimon’ny kaominina Analaiva iny.

23 taona ity miaramila ity izao lavo amperin’asa izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny Tafika Malagasy amin’izao fahoriana mianjady aminy izao ny gazety Ny Valosoa Vaovao.