Filoha Ravalomanana – Tsy hanaiky intsony isika fa tafahoatra loatra ny habibiana

Ny Valosoa

Ny sabotsy tolakandro teo, fetin’ny Noely, no naterina teny amin’ny fasan-drazany teny Ambohitrimanjaka ny nofo mangatsiakan’ny Dr Jean Louis Randrianantenainjatovo, maty novonoin’ny sasany tao an-tranony tany Maninday Toliara ny herinandro lasa teo, izy dia vadin’i Me Elisoa mpitarika ny antoko TIM any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana sady anisan’ny mpitarika ny RMDM any an-toerana koa. Itompokolahy Dr Jean Louis no voatifitr’ireo mpanafika tao an-tranony, fa Me Elisoa kosa tsy voa fa afaka nandositra.

Ny zoma hariva no nampandalovina sy nandraisana ny nofo mangatsiakan’ny Dr Jean Louis tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air Ampandrana. Tao avokoa ny mpitarika ny antoko TIM sy ny RMDM notarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, nambarany tamin’izany: “amin’izao fahoriana mihàtra amin’ny fianakaviana izao, izay nandaozan’ilay vady mpanohana; ilay ray izay andry iankinana tampoka dia mamerina ny fiaraha-miory sy mitondra ny teny fampiononana izahay havana sy namana ka tsy hanary na sanatria hamela anareo irery. Hetraketraka politika izao atao amin’ ireto fianakaviana ireto izao, ka tsy afaka hanaiky izany intsony isika satria diso tafahoatra loatra ny habibiana. Tsy ho avelantsika raraka an- tany ny ràn’Itompokolahy”, hoy izy.

Fa nialohan’ny teny Bel’Air ny zoma hariva io, nitsena ny razana teny Iavoloha ny solombavambahoakan’ny antoko TIM, sy ny solontenan’ny birao politikan’ny antoko, amin’ny maha-filoha lefitry ny TIM sy maha-filoha lefitry ny RMDM ao amin’ny faritanan’i Toliara an’i Me Elisoa, izay vadin’ny dokotera Jean Louis. Nisy avy eo ny fotoam-pivavahana fankaherezana tao Bel’Air Ampandrana ary tonga nanatrika izany araka ny efa voalaza teo ny filoha Marc Ravalomanana, niombona alahelo tamin’ny fianakaviana, ary toy izao ihany koa ny teny fampaherezana nataony:
“Tampoka ny fahalasanan’Itompokolahy, satria dia vokatry ny hetraketraka nataon’ny sasany. Ny hevitra politika tsy mitovy ve no andatsahan’aina toy izao? Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina, ary ho tsarain’Andriamanitra izay nahavanon-doza. Ao izay nananteraka famonoana amin’ny fomba feno habibiana. Ao izay naniraka sy tomponandraikitra. Izy no nikarakara ny rehetra sy nandray anay tamin’ny hetsika rehetra izay natao tany. Vao herinandro mahery kely ny hetsika natao tany Toliara ary hita tany mihitsy ny fanantenan’ny vahoaka sy ny fitiavany antsika. Dia izay no nahatonga ny sasany ho tratran’ny fialonana sy fankahalana. Na inona na inona lazaina sy hazavaina aminay, dia tena motivation politique na hevitra tsy mitovy dia nahavitana naniraka olona analana ain’olona. Tsy afaka hanaiky an’izao intsony isika, fa tsy rariny loatra. Tsy ekentsika. Tena mafy. Noho izaho ve no andatsahana ain’olona, noho isika mijoro ho an’ny firenena ve? Tena mafy. Isika vahoaka dia hijoro mandrakariva”, hoy ihany ny filoha Ravalomanana nanamafy ny fanambarana efa nataony nandritra izany.