Tsy manana politika momba ny mponina – Tsy mahafehy ny fitantanam-bahoaka ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Tranga iray lehibe niseho teto amin’ny firenena tamin’ity taona ity, ny fisian’ireo fianakaviana maro avy any atsimo, nifindra monina noho ny antony ara-pivelomana. Tsy nety tamin’izy ireo intsony ny nonina teo amin’ny tany nonenany noho ny antony ara-toetrandro sy toe-tany izay tsy ahafahana miaina sy mivelona intsony ho azy ireo. Eo ny antony iray lehibe iaraha-mahalala dia ny kere. Voatery tsy maintsy nifindra monina araka izany izy ireo, ary nandeha tamin’ny toerana maro samihafa teto amin’ny Nosy izay nosafidiany aleha, rehefa avy nandalo teto an-drenivohitra. Mazava loatra, nisy ihany koa ireo nijanona teto an-drenivohitra.

Misy ny manome tsiny ireo olona ireo, any amin’ny toerana misy azy any. Toa ireo nisafidy ny any akaikin’ny faritra Ankarafantsika iny, noho ny fahapotehan’ny ala sy ny doro tanety mitranga. Mety misy hadisoan’izy ireo ihany izany, noho ny tsy fitandremana na noho ny fikimpiana fotsiny izao ireo sisa mba ho velona. Toy izany koa ireo any amin’ny toeran-kafa, izay misy milaza ny amin’ny tsy fandriampahalemana lasa mitranga any aminy. Toe-javatra maro samihafa no tsy maintsy mitranga ary mety mandona ny efa lasi-pivelomana sy fiainana tamin’ireny toerana nifindra-monin’ izy ireo ireny. Midika izay, fa maro izy ireo no nifindra-monina. Tsy maintsy misy vokany ihany koa izany any amin’ny toerana nialàny.

Tsy tokony hadinoina, fa ny Malagasy dia tia mifikitra amin’ny tany onenany sy ivelomany, indrindra ireo nisy ny razany. Efa tsy fidiny ho azy, ary tsy azony anoharana intsony matoa izy mandao ny tanindrazany. Iza no tomponandraikitra amin’izy ireo? Mazava loatra, fa ny minisiteran’ny mponina sy indrindra ny fitondrana no tomponandraikitra voalohany amin’izany rehetra izany. Maneho miharihary ny tsy fananana politika mazava momba ny mponina izao fitondrana Rajoelina izao, matoa misy izany. Ny IEM-n-dRajoelina tsy nahatsinjo izany olana izany velively, hatrany Frantsa niketrehany ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Ary na efa tafakatra teo amin’ny fitondrana aza izy sy ekipany, dia mbola tsy nahavita namaritra tao anaty fotoana fohy ny politika mazava momba ny mponina rehetra isa-paritra. Satria, tsy ilay vahoaka Malagasy loatra no tiany asandratra voalohany fa ny tenany sy ny antokony, sy ny ikatsahany ho voalohany mihoatra amin’ireo mpifaninana politika rehetra aminy eto Madagasikara. Izao efa mitranga ny olana, dia ilay vahoaka ve no omena tsiny? Tanindrazany ity Madagasikara ity, iombonan’izy ireo amin’ny Malagasy rehetra. Raha tena mpitondra manana ny fitiavan-tanindrazana marina, sy tia ny vahoaka Malagasy marina ary mitsinjo azy ireo tokoa, dia efa nahatsiaro tena ho tomponandraikitra voalohany amin’ny fisiana Malagasy, mpiray tanindrazana mihinana ny tsy fihinana intsony. Inona no nitranga raha teto an-drenivohitra no nisy ampahana mponina nihinana ambina hoditra kiraro toy ny tany atsimo ireny? Raha mpitondra mahatsiaro tena marina ho tomponandraikitra mivantana momba ny mponina dia efa nametra-pialàna avy hatrany vao mitranga izany.

Ny tsikaritra amin’ny fomba fitantanam-pirenena ataon’izao fitondrana Rajoelina izao, dia raha tsy efa misy fisehoan-javatra lehibe mitranga eo amin’ny mponina na ny vahoaka vao mody mikoropaka. Izany hoe, midika izany, fa tsy mahafehy ny fitantanana ny fiainam-bahoaka izao fitondrana izao. Ohatra akaiky, vaovao mbola maresaka izao ny zava-nitranga tany Soanierana Ivongo ireny. Tsy voafehy ny fanaraha-maso ny fifamovoizana an-dranomasina eto amintsika, satria mbola misy afaka mitsoriaka mangala-dia ihany, ary hamoizana ain’olona marobe mampalahelo toa ireny. Miharihary fa misy tsy fahampiana ny fitaovam-pifamoivoizana an-dranomasina itateram-bahoaka eto amintsika, na ny fanaraha-maso ihany koa. Ary tsy any amin’iny morontsiraka atsinanana iny ihany izany, fa na any andrefana sy atsimon’ny Nosy ihany koa, na amin’ny morontsiraka manontolo manodidina an’i Madagasikara mihitsy. Ny mahamaika an-dRajoelina sy ireo ekipany, dia vahaolana mbola afaka miandry, “téléphérique”, “tramway”, sns… Ireny mantsy ilay azo isehosehoana sy idedahana ary ahafahana miaro seza sy tombontsoa manokana, anaovana fampielezan-kevitra ihazonana fitondrana. Ilay mponina, ny sarambabem-bahoaka Malagasy manerana ny Nosy, fa tsy eto an-drenivohitra ihany, anefa etsy ankilany, tsy ao an-tsainy ao anatin’izany, sy tsy voatsinjo amin’ny fitaterana izay mampijaly azy isan’andro vaky izao.