EDITO 28 desambra – Toa ny vahiny no avela manjaka tanteraka amin’ny toekarena eto

Sôh’son

Ahoana no aneken’ny sain’ny vahoaka Malagasy, fa ny 60% ny fihariana sy ny toekarena eto Madagasikara dia eo ambany vahohon’ny teratany vahiny? Ny karana (indiana sy pakistaney) no lohany amin’izany, sy ny teratany frantsay. Izany hoe ny efa antsasa-manila amin’ny fitantanan-karena no lasan’ny vahiny. Raha amina orinasa izany, raha toy ny petrabola antsasany mahery toy izany no an’ilay olona dia izy no tompon’ny orinasa sy mandidy aminy. Soa fa tsy mitovy amin’izay loatra, na manahatahaka izany aza, ny eto amin’ny firenena. Efa anjakan’ny vahiny ny toekarem-pirenena. Efa manomboka ho lasa mpiasan’ny vahiny ilay Malagasy tompon-tany. Manaiky izany ve ny sain’ny Malagasy, raha mbola tena Malagasy marina tokoa?

Sehatra maro no anjakazakan’ireo vahiny eto amin’ity firenena ity. Saika izy ireo avokoa no mitantana ireo orinasa goaibe eo amin’ny mpandraharaha solika, ireo orinasa lehibe na afak’haba na tsia, ireo tranombarotra lehibe maro samihafa, ny banky, ny orinasam-pifandraisan-davitra, ny hotely fandraisam-bahiny lehibe, sns… Miasa ao amin’izy ireo ireo zanaka Malagasy aman’hetsiny maro, ary ny karama zara raha mahavelona fotsiny, fa tsy mampitombo harena. Mazava loatra, raha ireo vahiny tsy mitsahatra mitombo harena sy manangana tranobe mijoalajoala etsy sy eroa, ireo Malagasy kosa zara raha manana trano kely isitrihan’ny loha. Ny zava-misy aza manofa trano sy mifindra trano in-droa eo isan-taona ho an’ny sasany. Izao koa aza iaraha-mahalala tsara, efa anjakan’ny fitondrana frantsay ny harena ao amin’ireo Nosy Malagasy manodidina na “îles éparses”. Manarontsarona izany fotsiny ny fitondrana Rajoelina.

Raha ny mpitondra, manaiky izany ny sainy, ary iarahany miasa aza ireo matetika, mba tsy ilazana hoe miara-miasa akaiky. Nisy izany, ohatra, tamin’ny resaka vaksiny, ny teny Soamandrakizay, ny fampiasana fiaramanidina manokana azy ireo, ny fanomezana tany midadasika na dia efa misy tompony aza, sns… Misy mihitsy aza amin’ireo teratany vahiny ireo miezaka manao ampihimamba na “monopole” ny sehatra samihafa eto, fa mitazam-potsiny na mangina na minia mikimpy ny fitondrana Rajoelina. Fantatra izany amin’ny resaka hoditr’omby anaovana kiraro, ohatra, izay tsy misy miresaka firy, na zavatra hafa ihany koa. Ireo anefa tena mahakasika ny fiainan’ireo Malagasy mba misehatra amin’ny fandraharahana samihafa na madinika. Tsy misy miteny. Izany ampihimamba izany anefa no anisany voalohany nanakianan’ireo mpanongam-panjakana ny filoha Ravalomanana Marc, kanefa izy ankehitriny no tena manao izany. Ny an’ireo rahateo ilay manana toe-tsaina ory hava-manana.

Araka izany, hampitahotra ny hoavin’ity firenena ity raha izao zava-misy nambara izany no mitohy. Ho lasa vahiny tompon-tany eto ny Malagasy, fa ny vahiny no manjakazaka amin’ny hareny sy nandroba azy. Ny fitondrana Rajoelina zary toa tsy mihetsi-bolomaso amin’izany akory. Ho very lova nomena sy navelan’ny razany azy ity Malagasy ity. Aza hitako…