TSY TELEFERIKA NO MAIKA

Moa ve hirosoana ihany ity ilay hoe teleferika,
Na dia hita tsotr’izao fa tsy dia maika eto amintsika?
Sa dia hisy indray ny vola hihodinkodina amin’itony,
Ka izay no mahadodona anareo mpitondra ambony?

Ny any andafy aza efa niahotra ary tena sanganehana,
Ka milaza an’izy ity ho tsy laharam-pahamehana.
Saingy ny mpitondrantsika dia mampiaiky hatrany hatrany,
Fa toa jamba sady pahina ka dia tsy mahita izany!

Roa no tena maika indrindra ho an`ny isan-tokantrano,
Dia tsy inona tsy akory fa ny JIRO sy ny RANO.
Izao, mijaly ireo vahoaka, nefa ireo no tena ilainy.
(Saingy ho an-dry “donto” kosa, hafa hatrany no ao an-tsainy!)

Tena ilain’ireo vahoaka ny hisian’ny hazavana,
Mba hampandry fahalemana ny rehetra ao an-tanàna.
Mila rano ihany koa ny olona isam-baravarana.
(Tsy ho resy “ilay aretina” raha ny paompy aza ilaharana!)

…Ary tsy ny kely indrindra ity am-para filazana,
F’efa tena mby an-koditra izany atao hoe fahantrana.
Ka ‘zay hiditra ao am-bavanay vahoaka re omanina,
Fa tsy ity teleferika tena tsy hihinanan-kanina!

DADAN’i ZINA (27-12-21)