Fianjeran’ilay helikôptera – Mbola tsy mazava sy mampiahiahy ny zava-misy

Rajepa

Ety ampiandohana dia mitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy tamin’iny lozana angidimby niseho iny ary miarahaba ireo nieren-doza. Raha tsiahivina ny zava–nisy dia ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny fito ora hariva no nianjera tao anaty ranomasina, manakaiky ny fokontany Ambatomalama, kaominina Mahabo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny angidimby izay avy namita iraka tany Soanierana Ivongo faritra Analanjirofo. Anisan’ny mpandeha tao anatin’io angidimby io ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (SEG), ny jeneraly Serge Gellé, raha avy niara-dia tamin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny mpikambana tao anaty governemanta hafa; izay nandeha angidimby iray hafa.

Ny talata maraina tamin’ny dimy ora sy sasany vao nanao fanambarana ny nisian’ny loza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ka maro ireo nanontany tena hoe tsy mba nisy fampitam-baovao ve avy tao amin’ny seranam-piaramanidina raha vao niseho ny loza?

Raha jerena ny fomba fampitam-baovao dia toa nanao an-tandrevaka ny tao amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, sy ny tao amin’ny minisiteran’ny fitaterana tamin’ny alalan’ireo ao amin’ny seranam-piaramanidina ; betsaka ireo nanontany tena hoe fa naninona no maraina vao nisy famoahana ny vaovao ofisialy, raha efa feno io vaovao CRASH na fianjerana io kosa ny tambazotra sosialy ny alin’iny ary nampisavorovoro ny saim-bahoaka. Tamin’ny firy no nahazo ny fisian’ity crash ity ny fanjakana foibe ary inona ny fandraisana andraikitra natao?

Raha vao nahazo vaovao ve ny fanjakana foibe dia niatomboka tamin’ny fikarohana, sa niandry ny andro maraina, satria toa mampanontany tena ihany hoe raha nanao fikarohana ve ny alin’iny dia tsy nahita ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, izay nilomano nandritra ny alina, fa mpanjono handeha hanjono maraina efa amin’ny fito ora maraina no nahita sy nanavotra ny S.E.G ? raha nikaroka tokoa ny avy tao amin’ny fanjakana foibe ny alin’iny dia nandritra ny alina ve tsy nahita vokatra raha tsy ny talata 21 desambra tamin’ny 08 ora sy 54 minitra, izay nilaza fa hitan’ireo “plongeur” avy ao amin’ny Corps de Protection Civile na miaramila voaofana amin’ny filatsahana any anaty ranomasina ilay angidimby an’ny Tafika.

Miandry fanazavana sy fanampim-vaovao feno ny vahoaka ary tokony hisy ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity, satria hatreto dia misy velonaina miisa roa ny tao anatin’ilay angidimby, na teo azan y fanambaran’ny SEG, mbola misy ny zavatra tsy mazava, na iniana afenina…
Hatreto dia mbola tsy nahenoana feo ilay mecanicien nanomboka ny nahitana azy ka hatramin’izao.

Takian’ny olona koa ny hanomezan’ny fanjakana foibe valisoa ho an’ilay mpanjono namonjy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, nisy izany tamin’ny filan-kevitry ny ministra farany tamin’ity taona ity. Ny antony, isan’ireo nahavita ity mpanjono ity sy ny namany, namonjy ny mpiara-belona aminy ary nahavita be ho an’ny vahoaka Malagasy, satria dia tsy vitsy ny olona miandrandra ny S.E.G sy ny fomba fiasany eto Madagasikara.