AZA MBA DONTO IHANY

Hatreto dia mitazam-potsiny iretsy donto mianakavy,
Manoloana ilay aretina izay mamely tsy hay sakanana.
Efa hita tsotr’izao fa tsy nahomby ilay tambavy,
Vakisiny anefa hatreto tena tsy ampy fanentanana!

Ny mpitarika mihitsy no ilaina ho modely,
Ka andrasana hotsindronina eo imaso-mpianakavy.
Saingy hatreto ny filoha tsy nanamafy velively
Hoe vita vakisiny ve sa nianina amin`ilay tambavy!

Raha izao no zava-misy dia ho lalina atsy ho atsy
Fa tsy maintsy ho avy indray ireo fepetram-pihibohana.
Ny amin’izay indrindra anefa, efa maivana ny vatsy
Ka ampoizina fa maro no efa tsy hahazo tohana!

Ny arotava dia efa be no efa tsy manao intsony,
Saingy tsisy fitenenana ka dia mahagaga ihany.
Rahoviana indray vao hidina irony baiko avy any ambony,
Ka halefa hamafa lalana ireo izay tsy manao izany?

Izy ity anie tsy toy ny raharahan-jazakely,
Ka dia petatoko hatrany fa tsy misy fanomanana.
Sa rehefa tena feno ny hopitaly sy ny hotely,
Izay vao hihetsika ianareo hanao ilay V amin`ny tanana?

Ka amin’izay dia hoe VONJEO no teny tiana hampitaina:
Mila vonjy i Gasikara, f’eo an-dalam-pahaverezana.
Sendra izay mpitondra dedaka nefa tena tsy misaina,
F’efa zatra ny bontolo sy fanaovana letrezana!

DADAN’i RIANA (25-12-21)