Marc Ravalomanana – Nankahery an’i Me Elisoa tamin’ny nandatsahana ny ain’ny vadiny

Androany faha-23 desambra tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo no nigadona teto Antananarivo ny nofo mangatsikan’ny vadin’i Me Elisoa, izay maty tamin’ny fanafihana tao an-tranony tao Toliary omaly tamin’ny 2 ora maraina.

Nitsena teny Iavoloha ny solombavambahoakan’ny TIM Madagasikara sy ny solontenan’ny birao politika TIM, amin’ny maha-filoha lefitry ny TIM sy maha-filoha lefitry ny RMDM azy ao amin’ny faritanan’i Toliara.

Noentina tany amin’ny QG Belera ny razana. Nisy ny fotoam-pivavahana fankaherezana ary tonga nanatrika izany ny filoha Marc Ravalomanana niombona alahelo tamin’ny fianakaviana, ary toy izao ny teny fampaherezana nataony:

“Tampoka ny fahalasanan’Itompokolahy, satria dia vokatry ny hetraketraka ataon’ny sasany.
Ny hevitra politika tsy mitovy ve no andatsahan’aina toy izao. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina, ary ho tsarain’Andriamanitra izay nahavanon-doza. Ao izay nananteraka famonoana amin’ny fomba feno habibiana. Ao izay naniraka sy tomponandraikitra.
Izy no nikarakara ny rehetra sy nandray anay tamin’ny hetsika rehetra izay natao tany.
Vao herinandro mahery kely ny hetsika natao tany Toliara ary hita tany mihitsy ny fanantenan’ny vahoaka sy ny fitiavany antsika. Dia izay no nahatonga ny sasany ho tratran’ny fialonana sy fankahalana.
Na inona na inona no lazaina sy hazavaina aminay, dia tena motivation politique na hevitra tsy mitovy dia nahavitana naniraka olona hanalana ain’olona. Tsy afaka hanaiky an’izao intsony isika, fa tsy rariny loatra. Tsy ekentsika. Tena mafy. Noho izaho ve no andatsahana ain’olona, noho isika mijoro ho an’ny firenena ve? Tena mafy. Isika vahoaka dia hijoro mandrakariva.”