TSY MIERY INTSONY NY MPAMITAKA

Tsy indroa na hoe intelo f’efa mihoatry ny impolo
No niteniteny foana ilay zalahy mpanao bontolo,
Saingy dia mitehaka azy hatrany hatrany ireo sanàna,
Toy ny te hiteny foana hoe “’tohizo ny hadalana”!

Tsisy zavatra manjary izay rehetra mba lazainy.
Hatramin’ny kajy tsotra indrindra, mahagaga fa tsy hainy!
Mahalasa saina lalina raha izany no mpitarika.
(Tena mila iverenany ny fianarana asa marika!)

Izy irery no milaza hoe azony volena tsara
Ny be volo izay ambara hoe coton de Tulear!
Asa na sekoly taiza no nianarany an’izany,
Fa dia gaga ny rehetra, maro no mifanontany!

Izy ilay mihevitra azy ho mpampahiratra ny pahina.
Eny, hatramin’ny omby vositra no kasainy hampanarahina!
Koa mihevera rey vahoaka raha dia mbola hofitahiny,
Fa tsy miafina intsony ny mpamitaka raindahiny!

TSIMIMALO (19-12-21)