Fampianarana – Samy maka ho azy amin’ny fepetra raisiny

Radafy

Miha-mitatao eo amin’ny sehatry ny fampianarana amin’izao fotoana izao ny firongatry ny valanaretina. Efa nisy ireo sekoly nandray fepetra vao tsikaritra nitombo ny isan’ireo tranga vaovao sy ny namoy ny ainy. Nisy ireo nampitsahatra avy hatrany ny fampianarana tao aminy, andro vitsy mialoha ny idirana amin’ny fialan-tsasatry ny krismasy. Nisy ireo saika mbola hamarana mihitsy hatramin’ny farany tsy afa-nanoatra noho ny farany, ka raha saika hanao fandaharam-potoana omaly, dia nofoanana izany noho ny fanapahan-kevitra na ny fepetra noraisina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny herinandro teo. Fepetra tampotampoka ihany, satria tsy niseho velively ho niasa saina sy naneho fihetsika hentitra tamin’ny fipoirana sy firongatry ny valanaretina miandalana ny fitondrana. Hany ka tsy niraika ihany koa ny maro nandritry ny andro maro. Zao vao nanao fanapahan-kevitra maimaika nampitsahara ny fianarana mialoha araka izay mety tamin’ny tsirairay.

Mazava loatra, fa misy fiantraikany eo amin’ny seha-pampianarana isan-tsekoly izao toejavatra misy eto amin’ny firenena izao. Faritra telo no nandraisana fepetra manokana. Sekoly maro no tafiditra ao anatin’izany. Tsy hitovy araka izany ny ezaka famitàna ny fandaharam-pianarana. Ny tsikaritra koa anefa, dia ny sekolim-panjakana ihany no tena voatsinjon’ny fanjakana amin’ny fampitaovana amin’ny fitandremam-pahasalamana, fa ny tsy miankina anjorom-bala ihany. Niaraha-nahita izany teo aloha teo. Hiaraha-mahita eo na hahavoafehy izao mitranga eny anivon’ny sekoly samihafa izao indray, eo amin’ny seha-pampianarana ny eo anivon’ny minisitera.