EDITO 23 desambra – Raharaham-pirenena – Voafitaka hatrany ny vahoaka tamin’ity taona 2021 ity

Sôh’son

Hatrany am-piandohan’izao fitondrana izao no niaina tao anaty fitaka ny vahoaka Malagasy. Teo ny fitaka ny amin’ny hampihenana ny vidin-javatra ilain’ny vahoaka andavanandro. Anisan’izany ny sakafo fanjifany, toy ny vary izay nolazaina fa hampidinina 1000 ariary, sy ny menaka ho 2000 ariary ny litatra. Iaraha-mahita sy miaina anefa ny fidangan’ireo sakafo filàna fototra ireo amin’izao fotoana izao, izay miampy ny hena na kisoa na omby. Tsy ireo fotsiny ihany anefa no natao fampanantenana, fa hatramin’ny tany sy trano onenan’ny vahoaka izay tsy misy fitsaharany ny fitarainam-bahoaka ary zary toa tsy misy mpiahy sy mpiaro izy ireo. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana izay nanaovana fihetsiketsehana be ery tamin’ny fotoanan’ny fianianana teny Mahamasina kanefa hatreto iaraha-mahita ny iainan’ny vahoaka izany.

Fa anisan’ny sehatra iray lehibe nisongadina dia ny namitahana ny vahoakan’Antananarivo renivohitra. Tsy inona izany fa teo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Natao izay nanasana ati-doha ny mponin’Antananarivo amin’ny hoe: Olona mitovy firehana sy fijery amin’ny filohan’ny Repoblika no tokony ho eo amin’ny toeran’ny Ben’ny tanàna. Nambara fa izany no afaka miara-miasa tsara sy mampandroso haingana ity renivohitr’i Madagasikara ity. Dia natao avokoa izay fomba rehetra azo natao nanilihana an’i Neny Lalao Ravalomanana satria antoko manohitra ny fitondrana. Tsy nisy henatra mihitsy ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, nanosihosy ny lalampanorenana, mba hampandaniana ity olona miara-dia aminy. Dia tafakatra teo amin’ny toerana na dia tsy tamin’ny fomba mazava sy marina aza ny Ben’ny tanàna ankehitriny. Niezaka hanohitra ny fahalianiany izay ny avy amin’ny antoko Tim izay tokony ho lany tsotra izao, fa natao izay fomba rehetra ihany koa hampangina izany. Dia niaraha-nahita ireny ny fihetsiketsahana be, tamin’ny fanohanan’ny filohan’ny Repoblika, ny fampiasana kamiao hitatitra fako fa ny hanadio an’Antananarivo no fanamby fanomezan-toky nataon’ity lany tamin’ny mponina nifidy azy. Tany am-piandohana ihany anefa izany, ary miendrika famithama-bahoaka tsotra izao. Firy taona aty aoriana nahateo amin’ny toerana azy iaraha-mahita ny loton’Antananarivo renivohitra. Vao haingana no mody nisy fanomezana kamiao lehibe vitsivitsy, satria tsy nahomby hatramin’izay ny asa fanadiovana sy indrindra ny fanalàna ny fako, kanefa tsy mankaiza firy ny asa.

Tsy eo amin’ity resaka fanadiovana ity ihany no voafitaka ny mponin’Antananarivo, fa eo amin’ny sehatra maro samihafa. Na ny vahoaka Malagasy manontolo aza, tratran’izay. Eo, ohatra, ary raha tsy hilaza afa-tsy izany, ny momba ny IEM izay rehefa hita fa mihitsoka dia mody navadika PEM indray, izay nampanantenaina fa hampahafantarina. Tsy nisy resaka izany hatreto efa ho telo taona izao. Hatraiza ny hamitahana ity vahoaka Malagasy ity? Misy farany anefa izany satria manan-kasina ity vahoaka Malagasy ity na dia entina atao toy ny zaza sy hanaovana antsojay sy famoretana aza. Mbola manana ny hasinay ihany koa ity Nosy ity na dia robaina harena sy hampahantraina aza.