Sambo rendrika sy helikôptera nianjera – Manjombona Analanjirofo, manjombona i Madagasikara

Isambilo

Sambo rendrika sy helikôptera nianjera, manjombona Analanjirofo amin’izao fotoana, manjombona ihany koa i Madagasikara. Araka ny matoan-dahatsoratra iray tamin’ny gazety Ny Valosoa vaovao nivoaka farany teo, miaina ao anaty fahoriana, fahantrana, areti-mandoza i Madagasikara amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona, iandrasana ny taona vaovao izao. Toa maizina ny faravodilanitra ho antsika arak’izany, midika fa mbola tsy hisy masoandro hiposaka ho an’ny sarambabem-bahoaka amin’ny taona vaovao ho avy afaka andro vitsivitsy io. Ny mpitondra dia efa hita ny fahaiza-manaony, tsy ho Mesia mihitsy hanavotra izay fiainan’ny Malagasy izay, satria azo lazaina ho tsy nahomby ny fijereny ny fiainam-bahoaka tato anatin’ny 3 taona izay, tsy manana politika ho amin’izany fanatsarana ny fiainan’ny daholobe izany izy ireo, ny vahiny vitsy an’isa indray aza no omeny vahana.

Fisaonam-pirenena

Fa momba ny loza roa sosona nitranga tany amin’ny faritra Analanjirofo: tany Soanierana Ivongo, sy tany Fenoarivo Atsinanana: tany Mahambo, nataon’ny fitondrana ho andro fisaonam-pirenena anio alakamisy 23 DESAMBRA 2021. Araka ny didim-panjakana laharana faha 2021-1462, manambara fa ny alakamisy 23 desambra 2021 dia andro fisaonam-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin’ilay sambo « Francia » rendrika tao Soanierana Ivongo.

Ny fanapahan-kevitra hanaovana fisaonam-pirenena dia raisina aorian’ny tranga na loza mihàtra amin’ny Firenena, na amin’ny mpiray Tanindrazana. Ny Filoham-pirenena no mandray ny didim-panjakana mikasika izany ary mamaritra ny fe-potoana hanaovana izany, izay mety ho 1 andro hatramin’ny 1 volana arakarak’ilay tranga.

Fanapahan-kevitra ara-politika ny fanaovana fisaonam-pirenena ary tsy misy lalàna manokana mamaritra izay tokony hatao rehetra mandritra izany fisaonana izany. Mandritra izany dia tokony hahemotra amin’ny fotoana hafa ireo fety aman-danonana. Mandritry ny fisaonam-pirenena, misaona ny sainam-pirenena manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Manohy ny asa aman-draharaha avokoa anefa ny rehetra.