Loza 2 tany Analanjirofo – Tokony ho saziana ireo olona ambony tompon’andraikitra

Ny Valosoa

Loza roa no nitranga tany Analanjirofo ny alatsinainy teo, teo ny faharendrahan’ny sambo Francia tany Soanierana Ivongo, ny ministeran’ny fitaterana no tompon’andraikitra voalohany ny amin’izany. Efa sambo tsy nanara-dalàna, ahoana no tsy nosakanan’ny tao amin’ny fitaterana sy ny mpitandro filaminana miara-miasa amin’izy ireo ity sambo ity, tsy voalohany no nisy loza an-dranomasina toy izao tao amin’iny faritry ny Ranomasimbe Indiana, anelanelan’ny Tanibe Madagasikara sy ny Nosy Sainte-Marie iny.

Ny loza faharoa dia ny fianjeran’ny helikôptera nitondra ny Sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimariam-pirenena, helikôpteran’ny foloalindahy no nitondra azy ireo. Ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no tompon’andraikitra voalohany ny amin’izany. Ny angidimby dia tokony tsy hahazo hisidina intsony rehefa dila ny amin’ny 6 ora hariva, tsy voahaja anefa izany, fa nisy ny tompon’andraikitra ambony nandika izany fepetra izany, izay tokony ho saziana.

Fa ankoatra izany momba ny fianjeran’ilay helikôtera, nanome lelavola ireo namonjy ny Jeneraly Gellé Serge, Sekreteram-panjakana amin’ny Zandarimariam-pirenena (SEG), ny BNGRC, na ny Birao Nasionaly ho amin’ny fitantanana ny loza voajanahary. Nanome lelavola ho fisaorana ireo mpanarato namonjy ny Jeneraly Gellé Serge, Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria, sy ny Adjudant-chef Jimmy “mécanicien”, niharan-doza teny afovoan-dranomasina ny BNGRC, izay anisan’ny mandray anjara amin’ny asa fanavotana ireo niharam-boina tao aorian’ny fianjeran’ny angidimby teny andranomasina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity.

Mijery akaiky ny zava-misy sy manampy tosika ny famonjena voina ireo mpiray tanindrazana namoy havana sy naratra tamin’ny filentehan’ny sambo tany Soanierana Ivongo ihany koa ny BNGRC ary nanolotra fanampiana ho famonjena ireo niharam-boina, ka fitaovana maro no entina mbola mikaroka ireo niharam-boina, ahitana: vedety telo (03), zôdiaka roa (02), « gilets de sauvetage » dimam-polo (50) isa, EPI, DLM ary fiara lehibe 10t roa (02). Ireo kolonely roa niaraka tamin’ny SEG kosa dia mbola karohina hatramin’izao, tsy mbola fantatra na maty na velona. Harahantsika eo ihany ny ho tohiny.