Filoha Rajoelina Andry – Navadiny ho vely kibay ny velirano nataony

Andry Tsiavalona

Nanantena fanovàna maro avy amin’izao fitondrana Rajoelina izao ny vahoaka Malagasy tato anatin’ny telo taona nampindramana azy ny fahefana, ka nilazan’itsy voalohany fa hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Nihevitra ihany koa ny maro fa efa tao anatin’ilay IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) izany fiovana izany, kanefa na ny anaran’ity “vina » ity aza dia niova ho PEM, nihofo ho « Plan Marshall » indray ary ny zavatra rehetra nitsangana dia tsy hita soritra tao anatin’ireo, fa tandrametaka sy vonjy tavanandro no betsaka. Nanomboka tamin’ny « faminanian’»ilay vehivavy breziliana fa avy eto Madagasikara no hanavotra izao tontolo izao amin’ny valanaretina covid 19 izany.Toa nitodika teto tokoa ny mason’izao tontolo izao satria nisy firenena afrikana vitsivitsy tonga naka ilay CVO. Nidehaka ny filohan’ny Repoblika fa nandritra ny tetezamita dia tsy nisy fanampiana azo avy any ivelany kanefa dia nahatsangana fotodrafitrasa sy afaka nividy fiaramanidina Airbus roa. Nampanantena koa ny filoha fa ho lohalaharana eo amin’ny lafiny toekarena i Madagasikara aty Afrika, ka hampindram-bola an’i Comores. Rehefa nitsidika tany amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy Rajoelina Andry dia nanambara ho ren-tany ren-danitra, fa tsy hanao politika intsony raha tsy vitany ny làlam-pirenena faha-13. Tsy hanainga zipo intsony ny vehivavy satria tsy maintsy vitany ao anatin’ny valo ambinifolo volana ny làlam-pirenena faha-44. Tsy nisy niraharaha ny tsy fisin-drano tany Atsimo ny fitondrana nifandimby hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena, ka hitarika fantson-drano miainga avy any Avaratra ny fitondrana. Tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy indray, nampiseho ny fahaizany Rajoelina Andry, fa izy no mifehy ny vidin’ny lavanila maneran-tany, ka hampiakatra izany avo telo heny amin’ny vidiny tamin’izany. Hanangana « Tranoben’ny Lavanila » ihany koa ny fitondrana. Tsy an-jaza, hono, ny miady amin’ireo mpaninjara solika, kanefa tsy matahotra izy fa hampiantso azy ireo ary tsy maintsy midina ny vidin’ny solika.

Nikaikaika ny vahoaka fa tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ny entana ilaina andavanandro, ka nanome baiko ny minisitry ny varotra izy, nampidina izany tao anatin’ny telo andro. Tezitra tamin’ny minisitry ny Angôvo Rajoelina Andry noho ny faktioran-jiro miakatra kanefa dia tsy misy fitsaharany ny delestazy manerana ny Nosy. Nanome baiko izy araka izany nanitsiana ny faktiora.

Manoloana ireo fiovàna sy fampandrosoana nanaovan-dRajoelina Andry velirano tamin’ny vahoaka ireo dia nivadika tanteraka ny lalao, ka vely kibay no omeny ny nampindrana fahefana azy. Raha ny ady amin’ny valanaretina dia fahafaham-baraka no azo, tsy ho an-dRajoelina Andry ihany, fa ho an’ny Firenena mihitsy. Tsy nahomby tany amin’ireo firenena afrikana ny CVO, ka tsy nisy niverina na nanao komandy intsony izy ireo. Ny filohan’ny Repoblika koa dia nilaza fa tsy mila manao vaksiny, fa ny CVO ihany no nanasitrana azy mianakavy, kanjo famitaham-bahoaka toy ny mahazatra azy izany, fa tratra ny lainga rehefa namonjy ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, satria efa vita vaksiny izy tamin’ny volana febroary. Ahoana moa no hahafahan’i Madagasikara hampindram-bola an’i Comores kanefa ny laharan’ny Firenena maneran-tany eo amin’ny sehatra toekarena aza faharoa avy any amin’ny farany. Tsy vitan’izany fa ny roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka ato amin’ity Nosy ity dia mahantra avokoa.

Efa ela no niandrasan’ny maro ny fametraham-pialan-dRajoelina Andry, satria mandrak’ity ny androany dia tsy mbola vita ny làlam-pirenena faha-13. Araka izany dia sady tsy olona manaja ny teny nomeny izy, no tsy “homme d’Etat”. Tsy mahafehy ny resaka varotra iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, hany ka miteniteny foana satria ampahadimy ambinifolon’ny vidiny tany aloha sisa ny vidin’ny iray kilao amin’ny lavanila ary tsy mbola mitsangana ny “Tranoben’ny Lavanila”. Nihevi-tena tsy ho zaza ihany koa izy, ka nihevitra ny nandresy lahatra ny mpaninjara solika, kanjo nahazo fihenana ariary zato ary hay ny fitondrana mbola nananan’ity farany trosa mitentina aman-jatony miliara ariary ihany koa.

Tsy mazava intsony, na tsy mahafehy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny filoha faratampon’ny mpanatanteraka na ahoana, fa dia tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, ka zara raha afa-mihinan-kanina ny sivy folo isanjato maherin’ny gasy, kanefa ny valo isanjato kosa mihosanosana sy miha-be kibo andro aman’alina ary mandimandina tsy misy toy izany. Mandrak’ity ny androany dia tsy mitsahatra ny delestazy na dia efa voaroaka ny minisitry ny angôvo ary mitandahatra miandry rano manoloana ny paompim-pokonolona aza ny “bidons jaunes” aman-jatony maro. Vita soa aman-tsara kosa ny Kianja Barea Mahamasina raha nandaniana fito ambifitopolo tapitrisa dolara, kanefa ny medaly rehetra moa tsy maintsy misy ivohony, ka mbola misy trosa tsy voaloan’ny fitondrana amin’ny sinoa, izay tsy fantatra mazava na eninambinifolo tapitrisa dolara na fito tapitrisa dolara. Izao no tonga amin’ny fitenenana hoe: “teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina”.