Parlemantera sy ny antoko TIM – Miara-ory amin’ireo niharam-boina tany Analanjirofo

Nangonin’i Niaina

Manoloana ny loza nitranga tany amin’ny faritra Analanjirofo: tany Soanierana Ivongo, sy tany Fenoarivo Atsinanana, tamin’ny faharendrehana sambo nahafatesana olona maro, sy ny nianjerana helikôptera ihany koa, ka nahafatesana olona ary nisy koa avotra, misy ny fanambarana avy amin’ny Parlemantera sy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM):
Noho ny loza an-dranomasina izay nahafatesana olona maro, teo anelanelan’ Antsiraka sy Andrangazaha any Soanierana Ivongo, ny antoko TIM dia maneho etoana ny fampiononana feno ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ary mankahery azy ireo ihany koa. Miarahaba an’ireo tsy maty fo aman’aina koa izy ireo.

Ankoatr’izany, ny Parlemantera TIM dia miarahaba ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria tsy maty fo aman’aina:” mafy ny fitaintainana teo amin’ny fianakaviana sy ny namana ary ny vahoaka Malagasy. Mbola velon’aina soa aman-tsara ianao, misy antony izany ary fitahian’Andriamanitra. Mbola maro ny adidy masina miandry anao eto amin’ity firenena ity. Mirary ny hiverenan’ny fahasalamanao haingana, ka handraisanao indray ny asanao. Na aty anivon’ny fanoherana aza izahay dia nahatsapa fa niezaka ianao namerina ny hasin’ny Zandarimaria, ary manantena ny hitohizan’izany izahay”, hoy ny fanambarana.