Ho avy ny fety – Mbola tsy nahazo ny karamany ihany ny mpiasan’ny Secren

Stefa

Ho avy ity ny fety: fetin’ny Krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona hitsenana ny taona vaovao, nefa mbola tsy nahazo ny karamany ihany ny mpiasan’ny Secren any Antsiranana. Mitaky ny karamany tsy voaloa ireo mpiasa. Nandritra ny herinandro lasa teo, nitohy tamin’ity herinandro ity, tsy mitsahatra manao hetsika fitakiana ireo mpiasa ao amin’ny orinasa SECREN S.A. (Société d’Etudes de Construction et Réparation Navales) any Diego. Teboka maro no takian’izy ireo: karama amam-bolana maro tsy voaloa; tsy fisitrahana ny volan’ny Cnaps, izany hoe ny fiahiana ara-tsosialy; tsy fahaiza-mitantana ataon’ny tomponandraikitra. Nanamafy izy ireo fa hitohy ny grevy ary tsy hitsahatra raha tsy mivaly ny fitakiana.