RY MPITONDRA ANKEHITRINY !

Tsy fahazakana demokrasia
Ve no dikan’ireo herisetra misesy,
Ka iny ianareo fa mandraiky mahia
Dia manao hadisoana satria efa resy?

Mandeha efa horakorahan’ny sahona.
Mijanona tratry ny vovòn’alika.
‘Zay atao rehetra efa maneno sahona,
Ka dia hoentina aiza àry ity nosintsika?

Bebaoty ve sisa no hany ampiasaina
Mba hoenti-manakana ireo fitakiana?
Ny hery kanefa, aidiro ao an-tsaina,
Tsy hahaleo ny fanahy na oviana na oviana!

Tsy misy tanteraka ireo velirano
Fa lainga sy kobaka no nafangaro,
Ka dia aza gaga raha loza sy angano
No re mifandimby amin’ny faritra maro!

Ny hany vahaolana dia tsotra ihany
Ho anareo ry mpitondra mpampiasa herisetra:
Mialà f’efa tena malaza eran-tany
Ny tsy fahombiazanareo rehetra rehetra!

TSIMIMALO (23-12-21)