Sambo rendrika tany Analanjirofo – Olona am-polony maro namoy ny ainy

Niaina

Rendrika ny lakana iray nitondra mpandeha avy any Tanambe distrikan’i Mananara Avaratra, ho any Soanieran’Ivongo, izay samy ao amin’ny faritra Analanjirofo omaly. Francia no anaran’ity lakana ity, dobo na niharan-doza teo anelanelan’Antsiraka sy Andrangazaha, amin’ny Ranomasimbe Indiana iny, anelanelan’ny Nosy Sainte-Marie sy Soanieran’Ivongo.

Araky ny resaka izay nataon’ ireo mpandeha velona dia teo amin’ny 130 mahery teo izy ireo no niaraka. 08 ihany hatreto ny hita velona ary 15 ny olona maty no efa hita, hatramin’ny nanoratana. Am-polony maro arak’izany no namoy ny ainy tamin’izao lozam-pifamoivoizana an-dranomasina izao. Nanao taingimbe ity sambo ity nahatonga izao loza izao. Mbola maro arak’izany ireo mpandeha tsy hita nandeha tamin’ity sambo ity.