EDITO 18 desambra – Fitondrana Rajoelina mitanila – Misy vahoaka darohana, misy vahoaka tambatambazana

Sôh’son

Tsy ao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao no antenaina hisian’ny fihatsaram-piainana ho an’ny sarambabem-bahoaka, raha ny fahitana ny zava-misy tato anatin’ny telo taona latsaka kely nitondrany. Tsy voafehiny ny fitantanam-bahoaka noho ny fahitana fa misy ampahana vahoaka tsy voatsinjony, mba tsy ilazana hoe ailiny na ataony anjorom-bala.

Misy fijery mitanila miharihary raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny tamin’ny zava-nitranga ny faran’ny herinandro teo, ny tao Vakinankaratra nisy an-dRajoelina sy ny tany Toliara nisy ny filoha Marc Ravalomanana. Misy vahoaka darohana sy aparitaka amin’ny entona manempotra na lakrimôzena, fa misy kosa vahoaka ampifalifaliana sy tambatambazana ary anaovana fampanantenana « bobaka », fampanantenana poakaty efa mahazatra. Misy olona manana raharaha tsy mazava, ary tokony hiakatra fitsarana, eo anivon’ny fitondrana toa mangatsiatsiaka sy milamindamina amin’izao fotoana izao, fa misy kosa olona, indrindra amin’ny antoko mpanohitra, vao misy hetsika kely ataony dia ny fisamborana, fitsarana ary fonja no miandry azy ary tsy miandry ela izany, sns…

Ankehitriny, nangina tanteraka ny raharaha volamena voatana atsy Afrika Atsimo. Tsy heno intsony ny tohiny. Vao mainka aza ahiana ny hampivalona azy tanteraka noho ity resaka valanaretina vaovao ao aminy ity, ka hanidiana ny sisintany na ny habakabak’i Madagasikara tsy hifandray aminy. Zara aza ve misy an’izay tranga izay, hoan’ny tomponandraikitra?

Fa anisan’ny mampieritreritra fatratra ihany koa ny mpanara-baovao ny amin’ilay resaka fameranam-bola tsy nefaina tamin’ny mpampindram-bola Banky iraisam-pirenena. Lesoka tao amin’ny orinasa Jirama io tsy maintsy namerenam-bola io noho ny fitantanana tsy mazava. Dia mbola hisy hihambo na hiaro ny fitondrana Rajoelina toy ny teo aloha ve fa mahay mitantana izy? Efa bontolo fotsiny izany raha mbola misy. Ny fanontaniana manitikitika ny olom-pirenena maro ihany koa, dia hoe: vola taiza na avy aiza no nalaina nahafahan’ny fitondrana namerina ny volan’olona? Ity firondrana Rajoelina ity na mihambo ho manambola aza, dia tsikaritra, indrindra ho an’ny mahalala fa sahirana ara-bola. Izay no tian’ny olom-pirenena ho fantatra sy ilàny fanazavana avy amin’ny fitondrana. Misy kitapom-bola nahabangana ve any an’anonanona any hisolo vaika ny akalana aloha? Mijanona ho fanontaniana tsy hisy valiny toy ny fanontaniana maro ihany anefa izany satria iaraha-mahalala tsara, fa ity fitondrana Rajoelina ity dia manao ho tompon-trano mihono ny vahoaka malagasy hatramin’izay naha teo amin’ny fitondrana azy izay. Maro ireo raharaha teto tsy nahitana fanazavana mihitsy avy amin’ny fitondrana. Tsy afaka hanao izany koa izy noho ny fototra tsy mazava niaingàny hatrany am-piandohana, hoy ny maro.