Toliara, Ihosy, Ambalavao, Fianarantsoa – Akaiky ny fototra sy ny vahoaka hatrany Ravalo

Helisoa

Naharitra herinandro teo, ny fitsidihan’ny Filoha Marc Ravalomanana ny tany amin’ny lalampirenena faha-7 (RN7) iny hatrany Toliara, nanatanterahana ny fameloma-maso ny antoko TIM tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana no tena nifantohan’izany, teo koa no fanamarihana ny tsingerin-taona nahaterahany, niarahana tamin’ireo mpikatroka any ifotony any Toliara, na teo aza ny sakantsakana nataon’ny fitondrana tamin’ny alalan’ireo mpitandro filaminana.

Tany Ambalavao, nihaona mivantana tamin’ny vahoaka teny an-tsena i Dada. Tany Ihosy sy Fianarantsoa, nihaona tamin’ireo mpitarika ny antoko tao amin’ny renivohitry ny faritra Ihorombe sy Matsiatra Ambony izy, ho fanomanana koa ny fameloma-maso ny antoko any amin’ireo faritra ireo. Midika ireo rehetra ireo fa akaiky ny vahoaka sy ny fototra hatrany ny filoha nasionalin’ny antoko TIM sady filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM). Fa tany amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana, tsy nahasakana ny famelomamaso na redynamisation ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tany Toliara faritra Atsimo Andrefana tsy ho tanteraka ny sakantsakana, sy ny ramatahora nataon’ny tompom-pahefàna eto amin’ny firenena.

Marihina fa nosakanan’ ny fanjakàna tamin’ny fomba rehetra ny fety saika nankalazàna ny andro nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana ny alahady 12 desambra lasa teo, tao amin’ny Magro Andaboly. Teo ny fampiasana ny mpitandro filaminana tamin’ny fampiasàna fitaovam-piadiana mahery vaika sy ny baomba mandatsa-dranomaso tsy nahafahana nitsofoka tao amin’ny Magro na fananan’ny filoha Marc Ravalomanana manokana aza io toerana io.

Tonga maro tany an-toerana nanotrona ny filoha Marc Ravalomanana ireo delegasiona avy aty Antananarivo toy ny depiote, ny birao politika nasionaly nanome voninahitra ny fotoana. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana dia nanambara izy, fa ilaina ny firaisankina; raha nisy ny disadisa teo aloha hoy izy dia avela daholo izany ankehitriny. Ilaina ihany koa hoy izy ny fanetren-tena sy fifankatiavana. Ho antsika rehetra dia manàna finoana hoy izy, fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara, indrindra i Toliara.

Namafisin’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy mety ny CENI sy ny HCC amin’ny endriny izao io, ka ilaina hoy izy ny tokony hisian’ny fikaonandoham-pirenenena na concertation nationale, izay hiantsoana ny ray amandreny ampanahy FFKM hitarika izany. ​Tsy hanaiky ny halabato intsony isika, ary tsy andefitra amin’izany mihintsy. Marihina fa nanome omby ny filoha Marc Ravalomanana natao ho nofon-kena mitam-pihavanana, ho mariky ny fihavanana eo amintsika rehetra izany hoy ihany i Dada.