18 desambra – Taratasin’ny mpamaky – Raharaha “titre vert Vakinankaratra”

Taratasy ampitaina amin’ny gazety izy ity mba ho fanazavana ny tena zava-misy momba ilay RAHARAHA TITRE VERT VAKINANKARATRA.

Ity ary ilay porofo nokarohinareo mpitondra momba ilay resaka titre vert ho an’ny tanora eo Andranomanelatra. Marihiko fa izaho no manana ity version ity fa tsy misy hafa akory hahafantaranareo azy, indrindra ianao TALE IRAY eo anivon’ny faritra Vakinankaratra, nanome lesona mpanao gazety iny. Ity ary ilay fanadihadiana voalohany ho anao. Toa ho avy aty koa ingahy Andry Rajoelina filoha, ny faran’ny herinandro izao ka aleo ho hitany eo ilay werawrera sy ny olony ary.

« Ny vaovao vao voaray amin’izao fotoana izao dia tsy mihemotra ny fotoana handoavan’ny ankizy ny vola. Nifanarahana sy nifanaovana sonia (ny mpisitraka, ny fihariana, ny ministera ary ny Fifamanor sy ny Region) fa 6 mois aorian’ny fanombohan’ny projet no manomboka ny fandoavam-bola. Nolazaina anefa tamin’ny volana juillet fa tsy maintsy manomboka 1er septembre ny titre vert ary efa natao ny sonia tamin’ny banque. Noho ny vita ny sonia dia ny volana mars araka izany no tokony handoa ny vola ny ankizy. Omaly anefa rehefa nitaky ny hanemorana io fotoana io ny ankizy dia nolazaina fa tsy maintsy amin’ny volana mars no aloa ny vola, isika nefa izao efa décembre aty mbola tsy fantatra ihany koa hoe raoviana no hanomboka marina ny projet, (6 décembre no fotoana nomena anay farany nefa hatramin’izao tsy mbola misy resaka) Ny fahatarana anefa tsy misy antony avy aty aminay velively. Ary raha ny cahier de charge nifanaovana sonia dia tokony samy ho tompon’andraikitra amin’ny fahadisoana ataony ny tsirairay. Izao anefa rehefa ry zareo no diso sy nahatonga ny fahatarana dia tsy mandray ny andraikitra tandrify azy ary manao didy jadona fotsiny hoe tsy maintsy mars io, fa tsy afaka miova intsony. Mipetraka ny fanontaniana hoe inona no antony nanaovana sonia ny cahier de charge raha tsy hampiharina izay nifanarahana ao? Natao hamatorana ny mpisitraka fotsiny ve ilay cahier de charge, fa rehefa ny fanjakana no manao ny tsy mety na ny Fifamanor na ny fihariana dia mahazo manao didy jadona fotsiny amin’ny zavatra izay nataon’ny tanany sonia!? Tena kivy izahay io amin’izao satria tena niady omaly mba hijerena an’izay situation izay fa dia valy boraingina no azo hoe, “tsy maintsy io no arahinareo”. Raha hitaraina nefa moa izahay hitaraina aiza!? Tena miha-kivy izahay. Betsaka ireo efa te hiala vokatr’io tranga io nefa lazaina fa efa tsy afaka miala intsony fa efa vita ny Sonia, ka tsy maintsy manao na inona na inona atao.

Momba ny vola nomena anay dia izao 38.500.000 ar mahery. 12.000.000ar amin’io dia efa naloa hividiana an’ilay omby (marihina anefa fa nilaza i président tamin’ny kabariny teny Andranomaletra ny 4 mai lasa teo fa omena maimaim-poana ny omby) -10.000.000 ar dia nanaovana trano hipetrahaka. Nefa sady ratsy kalitao ny trano tsy misy na béton 1 akory, lalotra bâtards, sady efa nolazain’i Président tamin’ny kabariny ihany koa fa horaisiny an-tanana izany. 3.500.000 ar ny tranon’omby. Izay tena mampitomany tokoa, tsy manaraka ny fenitra mihitsy, tery ho an’ny biby, 8,5m sur 6m no nifanarahana lasa 5m sur 4m sisa ny ao amin’izao ary ireny rava ireny raha vao tsofin’ny rivotra. Na ny trano na ny tranon’omby dia hafa ny nampanantenaina nefa tena zavatra hafa mihitsy no azonay ao. -500.000 ar ny nanaovana lava-drano. Izay tena marivo tokoa, misy ary ny efa ritra sahady amin’izao isika miteny izao tsy ahazoana rano intsony. I president nefa nampanantena fa forage 1 ho an’ny ankizy 2 no atao fa tsy lavadrano ho tototra mialoha nefa mbola tsy nampiasaina akory. Nisy vola naloa tany amin’ny domaine ihany koa, Ny ambin’io vola io no ampiasainay ho an’ny fanodinana ny tetik’asa 3.500.000 ar hividianana Juncao hambolena. Ny labour nefa tena zara fa vita ».

Mamy Njafy
Tanora Antsirabe