EDITO 21 desambra – Fitondrana Rajoelina – Toy ny zazakely mailaka vava fa meda be amin’ny fandeha

Sôh’son

Mampiavaka izao fitondrana ankehitriny izao ny fanaovana fampanantenana be dia be, nefa ny ankamaroany tsy tanteraka telo taona aty aoriana. Nisy ny nambara fa hivaha am-bolana vitsy monja kanefa tsy hita hatramin’izao ny fanatanterahana azy. Anisan’izany, ohatra, ny vidin-tsakafo toy ny vary sy menaka. Vao mainka aza avo telo heny na efatra heny akory aza tamin’ny fampanantenana ny vidiny amin’izao fotoana izao. Eo ny resaka fotodrafitrasa samihafa izay tsy mbola vita, fa ny an’ny efa vava asa natomboky ny fitondrana teo aloha no savihana sy idedahana fa izy no nahavita azy.

Marobe ihany koa ireo zavatra nambara fa ho hatao kanefa hatreto tsy hita soritra akory. Anisany, ohatra, ny nambara fa hametrahana solosaina isa-pokontany. Maro tsy voatanisa ny fampanantenana poak’aty nataon’izao fitondrana izao. Lasa voamarina ilay fitenenana hoe: ny tranom-pody no vitan’ny vava. Ho an’ny mpandinika ihany koa, dia mahita fanoharana toy ny zaza ny zava-misy izany. Amin’ny zazakely mantsy, miàla amin’ilay maha menavava azy, dia miroso miana-miteny sy hiana-mamindra. Misy karazan-jaza ny mailaka kokoa ny tongotra noho ny vava; fa misy koa ny vava no mailaka aloha noho ny tongotra. Dia toy izany no fahitana ny zava-misy ataon’izao fitondrana izao. Ny vava mailaka, fa ny tongotra hiroso amin’ny asa meda be. Nefa ny anarana isalorana mba atao ho toy ny lamasinina haingam-pandeha ireny.

Hifarana afaka 13 andro eo ity taona ity. Volan-kankafotra ny zava-misy iainam-bahoaka sy ny firenena. Hatreto tsy tafaverina ireo Nosy manodidina na “îles éparses” bodoin’ny fitondrana frantsay, ary tsy misy resaka heno intsony am-bolana maro izay. Nangina ingahy filohan’ny Repoblika Rajoelina niedinedina ho saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena. Toa resaka fotsiny anefa izany, ary io indray koa ilay vava no lasa aloha. Vao mainka aza toa voamarina izany lasan-ko vavany fotsiny izany, tamin’ny fanendrena ilay minisitra tsy mahay miteny malagasy mihitsy, fa tsy mba hoe tsy mahafehy fotsiny. Eny anivon’ny solombavam-bahoaka mihitsy no anaovany fihetsika manao tsinontsinona ny soatoavina malagasy.

Ny teny malagasy no iray amin’ireo andry iankinan’ny fiandrianam-pirenena. Nohitsakitsahana izany, ary tsy ahitan-teny na kely akory amin’izany ny filohan’ny Repoblika milaza azy ho sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena. Ezahina ho fitahina hatrany ve ity vahoaka Malagasy ity? Hatramin’ny oviana no anitsakitsahana azy an-tampon-doha? Sy hitondrana azy ho toy ny zaza? Ny fisian’izany rehetra izany dia miendrika tsy fahaiza-mitantana firenena avokoa.