Fitondrana Rajoelina – Mampandry adrisa sy miziriziry

Beharo

Mampandry adrisa sy miziriziry ny fitondrana Rajoelina, izany lohateny izany no malaza manerana ireo fokontany maro eto an-drenivohitra sy amin’ireo tanàn-dehibe sasantsasany manerana ireo distrika samihafa, araka ny fanadihadiana natao. Ny tian’ireo olona sendra anay sy nandefa feo taty aminay ambara dia hoe: mampiesona ny fitondrana Rajoelina, manao ronono an-tavy sy manao be lazao fotsiny ihany, nefa tsy mahafantatra izay laharam-pahamehana amin’izao vanim-potoana sarotra iainantsika izao akory.

Porofo maro no nomen’ny olona, raha ny tany Toamasina ohatra dia hoe: manafatra simenitra ve no fiteny sa hitsaingoka eny ambony sambo eny? eo koa ny hoe: fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina nefa hita sy tsapa fa fampiesonana fotsiny ho enti-manomana fifidianana amin’ny 2023 indray, sady efa tetikasan’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina izany. Ny làlam-baovao “Auto route “, nilaza ireo sendra ny mpanao gazety, fa famahanan-dalitra tanteraka satria ireo fiara fitaterana tsy afaka hamono tena toy ny mpanao “Rallye” na fitateram-bahoaka io na fitaterana entana goavana ka hanao 100km/ora, fa dia ny zanaky ny mpanana sy ireo mpanao fanenjika indray no mbola hahazo aina be eto, tsy aleo ve ny làlana Vatomandry-Mahanoro no vonjena malaky, sady raha làlam-baovao mbola tsy misy tanàna azo antoka fa miharina na vao hitsangana amin’izany”. Ny tany Toliara dia ireny efa hita porofo ireny, fa “Kere ” tokoa, ka lasa mifindra toerana any amin’ny ilany avaratra andrefana any, efa kivy amin’ny ataon-dRajoelina, ka aleony mitodi-doha indray aty amin-dRavalomanana sy ny mpanohitra rehetra aty indray. Ny sekolim-panjakana any Toliara ohatra, ny EPP Beara, dia tsy misy na seza, na tabilao, trano falafa kely, ary zara raha mahazo karama ireo mpampianatra, nefa dia tsy fantatry ny mpanara-penitra hatramin’izao.

Mazava izany fa manao be lazao, mitokana asa na zavatra tsy mbola vita zato isan-jato, nefa manampi-tsofina amin’ny vahoaka hatrany ry Rajoelina sy ny forongony. Ny eto Analamanga raha ny talata teo dia mahagaga, fa vao nomena fotoana nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ity teleferika ity ny mponina, nefa zavatra tokony efa natao tany aloha izany, mampandry adrisa tokoa hoy ny vahoaka. Ary ny vola hanaovana izany dia tsy Antananarivo ihany no hanefa azy, fa ny Malagasy iray mano ntolo mihitsy, nefa ny Renivohitra ihany no hisitraka azy, misy zavatra tsy rariny ao!