Fanatsarana ny fitantanana ny fifidianana – Nanolotra soso-kevitra amin’ny CFM ny Vondrona Panorama

Franck Razakambelo

Tonga nitondra ny fehin-kevitra hoentina hitondrana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara tetsy amin’ny biraon’ny CFM (Filan-kevitra ho an’ny fampihavanam-pirenena) Ampefiloha ny vondrona Panorama afak’omaly. Nilaza Andriamatoa Rakotovazaha Olivier, mpikambana iray ao amin’ny vondrona Panorama fa soso-kevitra maromaro nivoaka nandritra ny fivoriana nataon’ny Vondrona Panorama tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ny 13 Novambra 2021 lasa teo, ity natolotra ho an’ny CFM ity, mba hisorohana ny korontana noho ny fandrombahana fahefana amin’ny alalan’ny hala-bato hataon’ny mpitondra fanjakana mandritra ny fifidianana.

Nanohy fanazavana ity mpitodra tenin’ny Vondrona Panorama ity, fa fitandroana ny fitoniana mandritra ny fitantanana ny fifidianana rehetra izay hisy eto Madagasikara no tanjona amin’izao fanolorana fehin-kevitra izao, mba hisian’ny fifidianana manaraka ny fenitra Demokratika. Naneho hevitra Andriamatoa Maka Alphonse filohan’ny CFM, fa rafi-panjakana mametraka ny fifampiresahana eo amin’ny samy hery politika ny CFM, mba hisian’ny fitoniana sy ny fifidianana eken’ny rehetra eto Madagasikara.

Ezahin’ny Vondrona Panorama hozaraina amin’ireo rafi-panjakana isan-tsokajiny ity fehin-kevitra ity, ho fialana nenina amin’ny fisian’ny korontana noho ny fanatanterahana fifidianana rehetra izay hokarakaraina eto an-tanindrazana amin’ny fotoana ho avy rehetra.