Efa an-taonany – Kaominina miisa 6 any menabe no tsy misy ben’ny tanàna

Rajepa

Manoloana ny fitanana am-ponja vonjimaika ny ben’ny Tanàna sy ny lefiny faharoa, sy ireo mpiara-miasa aminy dia nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana desambra 2021 teo dia mihitsoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny kaominina Ankilizato distrikan’i Mahabo faritra Menabe, ny antony araka ny resaka ni-fanaovana tamin’ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanàna dia very fanahy mbola velona izy ireo, satria tsy misy azon’izy ireo atao ny mpitam-bola koa mantsy voatazona miaraka amin’ny ben’ny Tanàna sy ny lefiny faharoa, ka matahotra handray fanapahan-kevitra izy ireo, ny vahoaka anefa sahirana hanao raharaha ao amin’ny kaominina ny mpitambola tsy misy. Mikoroso fahana tanteraka ny kaominina ankehitriny hoy hatrany ingahy lefitra voalohan’ny ben’ny Tanàna, tsy afaka mampidim-bola, tsy afaka manao na inona na inona mihitsy.

Ingahy ben’ny Tanàna dia naiditra am-ponja vonjimaika ny 01 desambra ary noho ny tsy fahasalamany dia navoaka notsaboina ivelan’ny fonja izy ny faha-02 desambra ary mbola mitohy manaraka izany fitsaboana izany tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao. Ny vahoaka izay mahatsiaro sahirana noho ny tsy fisian’ny mpiasa afaka miasa ao amin’ny kaominina kosa anefa dia mandrahona ny hitokona raha tsy misy ny vahaolana ataon’ny fanjakana foibe etsy andaniny, koa ireo filohampokotany dia mangataka ny hanen-drena PDS hitondra vonjimaika ny kaominina Ankilizato, fa sahirana ny vahoaka hoy izy ireo.
Raha namonjy ny lehiben’ny distrika mpisolo toerana izahay dia nilaza izy, fa efa nanao tatitra ny zava-nisy na dia tsy nampahafantarina ny raharaha mikasika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ny ben’ny Tanànan’Akilizato sy ireo mpiara-miasa aminy aza ny tenany ary nilaza izy, fa mbola tsy voaheloky ny fitsarana ny ben’ny Tanàna ka hatreto dia mbola ben’ny Tanàna ny tenany, ka ny didim-pitsarana no mamaritra ny toerany sy ny ho avin’izay hitantana ny kaominin’Ankilizato, fa anjaran’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra kaominaly, no manendry ny lefiny voalohany izay mbola ao hanao ny asan’ny ben’ny Tanàna, satria ny raharaham-panjakana tsy maintsy mandeha, toy izay koa ny mpitam-bola, saingy voafetra ihany anefa izany satria tsy afaka ny handray fanapahan-kevitra goavana izy ireo. Ny fampiatoana ny ben’ny Tanàna amin’ny asany dia ny lalàna no mametra izany araky ny fandikan-dalàna sy ny tsy fahafahan’ny ben’ny Tanàna manao ny asany. Raha jerena kosa ny resaka fitakiana fametrahana PDS dia ny lalana ihany no mametra izany ary ny fanjakana foibe amin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany, no tompon-teny farany mikasika izay.

Raha tsiahivina dia kaominina miisa 6 amin’izao no tsy manana ben’ny Tanàna, ka ireto avy izy ireo: kaominina Ampanihy distrikan’i Miandrivazo, izay maty notifirin’ny dahalo ny ben’ny Tanàna tao; raha ben’ny Tanàna 3 avy ao amin’ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina no voatazona ampoja vonjimaika dia ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Tsimafana sy Tsarahotana ary Belinta; raha araky ny didy navoakan’ny fitsarana kosa dia tokony naverina ny fifidianana ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Morondava nefa hatramin’izao dia tsy misy resaka izany dia izao niampy ny ben’ny tanànan’Ankilizato izao indray.

Toa mahalasa saina ny mponina ato Menabe ihany ny ataon’ny fanjakana foibe, satria dia efa misy aman-taonany ireo kaominina no tsy misy ben’ny Tanàna ara-dalàna fa toa tsy misy mpijery eo koa ireo olom-boatendry alana nefa tsy hasiana solony, ka manontany tena ireo vahoaka ato Menabe hoe ny olona azon’ny fanjakana antoka ve no tsy misy, sa fahirano satria moa raha ny voka-pifidianana tato Menabe nano-boka ny fifidiana 2018 no mankaty no jerena dia latsaka ambany foana ny TGV, sa noho ny ady an-trano misy eo amin’ny TGV/MAPAR ato Menabe izay mivaky roa: misy ny miaraka amin’ny olom-boatendry, ao koa ireo miaraka amin’ny olom-boafidy.