Fifidianana – Miroso ny TIM fa tsy mihaino an’i Paoly be hevi-dravina

Ny Valosoa

Ankehitriny dia maro ireo mitonona ho mpamakafaka politika, mpandinika fiarahamonina, mpandalina toekarena, mpanadihady tantara, mpahay lalàna, sns… Tsy mahagaga izany satria ilay fitondrana mijoro dia tsy mamely araka ny fiteninjatovo, hany ka lasa mahita lazaina avokoa hatramin’ireo izay noheverina ho tsy tokony hiloa-bava akory. Iray amin’ireny mpaneho hevitra ireny Ingahy Paul Rabary na i Paoly R.

Nandritra ny fitondrana tetezamita notarihan’ Ingahy Rajoelina naka fahefana tsy tamin’ny fomba demokratika, no nahafantarana an’i Paul Rabary, izay niseho fahitalavitra matetika, nanao famakafakana petatoko, niaro an-jambany ny bontolo nataon-dRajoelina sy nandoto ny Filoha Ravalomanana.

Tamin’ny fifidianana filohampirenena 2013 dia niara-dia tamin’ny Kandida Edgard Razafindravahy i Paul Rabary tany amboalohany, satria rangahy io no voafidy tamin’ny fifidianana sivana nampanaovin’ny mpomba an-dRajoelina, tonga mihitsy niaraka nanatitra ny firotsahan-kofidina niaraka tamin’ny kandida Razafindravahy teny Ambohidahy Ingahy Paoly, kinanjo nisy ny fivadihan-javatra taoriana kely, fa nirotsaka ho fidiana indray ny Filoha Rajaonarimampianina, ka nekena ny firotsahana , tonga dia nifindra lasy tany Ingahy Paoly , ary dia nadio ny rano nitana, tsy nandingana tany amin’izay nisy an-dRazafindravahy intsony ny tongotr’Ingahy Paoly.

Voafidy ho filoha Ingahy Rajaonarimampianina, ka nahazo ny tambiny Ingahy Paoly, satria voatendry ho minisitra tao amin’ny governemanta, ny nahatsikaiky anefa dia tsy tahotra tsy henatra Ingahy Paoly fa dia nirotsaka ho fidiana ho filohampirenena nifaninana tamin’ilay nanendry azy ho minisitra farany teo. Aotra faingo isanjato no azon’Ingahy Paoly, tarehimarika tsy ampy hanaovana ady varotra hakana toerana ho minisitra, tsy nahazo seza tao amin’ny fahefana mpanantanteraka intsony, sady tsy sahy nisedra ny safidimbahoaka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna ihany koa, fa dia nijanona ho mpampiasa vava tany amin’ireo haino vaky jery isaky ny misy toe-draharaha mafanafana sisa Ingahy Paoly.

Vao tafiditra kelikely teto amintsika ny aretina koronaviriosy, dia Ingahy Paoly no anisany namoaka sy nanaparitaka ny sariny nisotro ny Cvo , fotoana fohy taorian’izay anefa dia tratran’ny aretina Ingahy Paoly ary nilaza fa tsy afaka nandro nandritra ny fotoana lavalava, voaporofo tamin’ireo voalaza ireo, fa mpila ranondranony mba hahazoana toerana Ingahy Paoly, ka tsy mahalala izay ahafaty azy akory.

Mikasika ny fanehoan-kevitra indray dia vao volana vitsivitsy izay Ingahy Paoly no nanambara tamin’ny fahitalavitra, fa efa tsy izy intsony hono ireo filoha roalahy nanao fihodinana faharoa farany teo, f’efa any hono ilay olona fahatelo andrandrain’ny vahoaka, kinanjo andro vitsivitsy izay dia niova indray ny famakafakan’Ingahy Paoly, nilaza indray izy fa ho lany amin’ny fihodinana voalohany hono Ingahy Rajoelina, asa na tsy nahita ravin’avaratra tamin’ilay olona lazaina fa fahatelo azo antoka Ingahy Paoly dia nirediredy indray niborosy andRajoelina.

Mbola afaka roa taona vao higadona ny 2023, noho izany dia mbola mety hiova indray ny tombatomban’Ingahy Paoly, ka mety ho tonga amin’ny hoe izaho Paul Rabary mihitsy no ho lany filohampirenena manaraka eo. Sasapoana Rangahy io maneho hevitra amin’ny fampahalalambaovao isan-karazany, saingy ny olona efa tsy mihaino azy intsony, satria raha nahay nanombatombana izy dia tokony ho tsinjony mialoha ny aotra faingo isanjato ampahambato azony tamin’ny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany.

Zon’Ingahy Paoly ny maneho hevitra, fa ny Tiako i Madagasikara (TIM) kosa dia efa tongotra mby an-dakana, vonona haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana madio, tsy hiandry an’i Paoly be hevi-dravina.