HETSIKY NY MPANJIFA

Fanirian’ireo mpanjifa ny hitaky izay mba zony,
Sy haneho an-karihary izay mba hetahetam-pony.
Saingy indrisy, saingy indrisy, semban-drahona ny androany,
Fa bebaoty no nijoro sy nisakana an’izany!

Tena voaporofo indray fa mihilangilana ny seza,
Ka matahotra isan’andro sy isan’ora iretsy ngeza.
Vao mba hetsika fanairana dia mivadika ny fony.
(Mbola aiza re izany f’io angaha ho tana intsony!)

Olona efa tena tofoka no naneho ny hatezerany,
Leon’ny laingan’ny mpitondra, fitaka sy hoerahoerany.
Fitakiana am-pilaminana, miaraka amin’ny tanam-polo,
Dia efa kivy iretsy vendrana ary toa mitsangam-bolo!

…Mbola andro koa ny ampitso, hiatrehantsika fanadinana.
‘Ndao tohizana ny hetsika ary atao am-pilaminana.
Na dia eo ny esoeso hoe kely isika sady bitika,
Ho hita eo ‘zay tsy mahatanty, ho hita eo koa ‘zay tena hipitika!

DADAN’i RIANA (10-12-21)