EDITO 9 Desambra – Fiainana andavanandro – Zon’ny vahoaka ny maneho hevitra: hatraiza ny fahalalahana ?

Radafy

Hapetraka eo ambony latabatra indray ny demôkrasia, hiaraha-mahita ny niafaràny sy ny hiafaràny, ny anaovan’izao fitondrana Rajoelina izao azy. Rahampitso zoma dia nanizingizina ny avy amin’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa fa hidina an-dalambe, fa tsy zaka intsony izao fidangan’ny vidim-piainana izao. Efa nangataka alalana tamin’ny prefet-n’Antananarivo izy ireo ny amin’izany ary hidina ihany na mahazo izany na tsia. Olom-pirenena tsy mahalefitra intsony ny manjo azy eo amin’ny fiainana andavanandro, ka maneho ny heviny, ary zony izany. Ho hajain’ny mpitondra manam-pahefana ve anefa izany zony izany? Fototry ny demôkrasia anefa ny fahafahana miteny sy maneho hevitra eny ankalamanjana. Raha voarara io hetsika io, dia ilay fototry ny demôkrasia mihitsy indray no voahosihosy tanteraka. Koa raha mihambo hiteny ny mpitondra fa misy demôkrasia eto, dia demôkrasia tsy misy fototra izany no misy, ary mpitondra tsy vonona hihaino ny fitarainam-bahoaka sahirana mafy ara-pivelomana andavanandro. Tsy hahasoa ny firenena velively izany.

Iarahan’ny sarambabem-bahoaka miaina isan’andro vaky izao ny fidangan’ny vidim-piainana ary miharitra fotsiny sisa ny vahoaka, kanefa efa mila tsy ho tantiny intsony izany amin’izao fotoana izao. Ny zavatra ilainy rehetra andavanandro no misondrotra ny vidiny, ary tsy isalasalana fa mbola hitohy izany miditra amin’izao volon’andro fety izao, hatrany amin’ny taom-baovao. Izay misondro-bidy anefa tsy ahitana fihenany mazava intsony avy eo. Tsy misy afitsoka ny fitondrana manoloana izany, fa karazany mandrirarira fotsiny ihany amin’ny fanazavana sy fihetsika samihafa etsy sy eroa. Indraindray mody mitokana zavatra hisehoana amin’ny vahoaka, fa miasa ny fitondrana, kanefa ny tokanana amin’io tsy ilàna filohan’ny Repoblika na minisitra fa ben’ny tanàna dia efa ampy hahavita azy. Efa fanaon’ny fitondrana anefa ny manao toy izany hisehosehoana hanakonana ny tsy fahaiza-manao amin’ny fitantanam-pirenena, sy ny tsy fisian’ny fampandrosoana maika andrasan’ny vahoaka.