ARAHABAINA FA GISITRA

Fivarotan-tanindrazana, izay no misy ankehitriny.
Tany maro midadasika no efa lasan’ny vahiny.
Zary toa mitazam-potsiny ny olona eny ambanivohitra,
Tena tsy afaka miteny, tena tsy afaka manohitra!

Ny mpivarotra, tsy lavitra, ary tsy olona hozoviana,
F’ireo “gasy maivan-doha” izay fantatra amin’ny haratsiana.
Tsy any ivelany fa tena ny ao anaty fitondrana,
Dia ’reo jiolahy malaza efa voavidin’ny karana!

Mody hoe “fampandrosoana” no atao ambentin-teny,
Nefa halatra vaventy no ao ambadik’izy ireny.
Malagasy marobe no indreo esorina amin’ny taniny,
Tsy mahita izay halehany, tsy mahita izay hohaniny!

Amin’izany ny mpitondra mbola lalina ny hambony,
Na dia hita fa ny gasy no mihazona ny rambony!
Tsisy intsony ny any aoriana f’efa isika izao no gisitra,
Tena hoe “ny gida maimbo” sy efa tena “vody lisitra”!

Mbola tsisy toy izao ny nihatra tamin`ny firenena,
Raha ny enimpolo taona no hiverenana jerena.
Norombahin’ny mpitondra ankehitriny ilay amboara
Maha “gisitra sy rambony” an’i Madagasikara!

TSIMIMALO (07-12-21)