EDITO 7 Desambra – Renirano lehibe 3 no mandalo eto – Tsy tokony hijaly rano Antananarivo sy ny manodidina

Ny Valosoa

Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hijaly rano mihitsy Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, satria renirano lehibe telo no misy eto mamakivaky sy manamorina ny tanàna dia Ikopa sy Imamba ary Sisaony. Matoa tsy lavorary ny famatsian-drano ny tanàna sy ny fanondrahana ny tanimbary dia ny mpitondra mihitsy no efa tsy hanao raha.

Mikasika ny rano fisotro sy fidiovana dia sady tsy ampy no miloko toy ny lokon’ny mpitondra ny rano mivoaka ny vavam-paompy, efa be izay resaka nambara mikasika ny fanatsarana ny famatsiandrano izay, saingy dia bala rora avokoa fa tsy hita izay fampiharana ireo voalazan’ny vava, ary ireo mpitondra dia mahita hanilihana hatrany rehefa tonga ny tsy fahombiazana, sambany farany teo vao mba niala tsiny noho ny fahalotoan’ny rano ny minisitra miadidy ny rano, fihetsika tsy fahita nandritra ny nitondran-dRajoelina iny, asa na tandindonin’ny famerenana ny volan’ny Banky iraisampirenena angamba, ka tsy maintsy mba mody nampandry adrisa.

Ny rano fisotro sy fidiovana no tsy ampy sy tsy madio fa ny fifehezana ny rano tsy handifotra koa mbola tantara hafa. Andro vitsivitsy izay dia nandatsaka orana voatrolombelona ny mpitondra, tsikaritra ny kitoatoa sy ny tsy firindran’ny asan’ny mpitondra foibe sy ny Cua satria, nialohan’ilay fandatsahan’orana dia tsy mba nanararaotra nanadio lakandrano ny Cua, dia ireny niara-nahita ireny ny zava-nitranga fa dia Antananarivo anaty rano no niantsoana ny faritra iva, na ny kianja fanaovambaolina nandaniana volabe aza dia lasa “piscine olympique”.

Eto Antananarivo no ahitana ireo minisitera rehetra, eto koa ny Apipa izay misahana ny fikarakarana ny lemak’Antananarivo ary indrindra ny Cua izay nambara fa olon’ny fitondrana no mitondra ao, kanefa dia mangetaheta ambony lakana ny vahoakan’Iarivo, satria tsy hain’ireo rafitra voalaza ireo ny mahatonga ny rano ho any an-tokantran’ny vahoaka, tsy vitan’izay ihany fa karakaina ny tanimbary tsy voatondraka, kanefa koa difotra voatery manainga zipo ny vahoaka amin’ny faritra iva vao misy orana misesisesy.

Kabary zato teny arivo, fa ny azo ambara dia tsy mahavahaolana ireo mpitantana isan’ambaratonga, tsy misy afa tsy ny fialan’izy ireo no vahaolana, satria efa nomenjanahary ny entimanana izy ireo, kanefa tsy mahay ny tokony hataony fa variana mitsentsitra ny hatsembohambahoaka, noho izany tokony hanasa tanana amin’ireo amin’izay ny vahoakan’Iarivo, ny sahaza an’ireo tsy mahomby ireo dia tokony hadio amin’izay ny rano nitan’izy ireo.