O RY JIOLAHY MPANDAINGA!

Ireo milaza ny tsy mety, mampipongatra ny marina,
Ireny indray ankehitriny no “ampangaina” sy “amboarina”?
Ary mbola hosoram-potaka, ampandoavina lamandy,
Na tebahina mihitsy fa hoe olona mavandy?

Raha izay no sary hita dia tsy ampiana, tsy analana,
Fa jiolahy no mialokaloka ao anaty fitondrana,
Ka ireo olona mitaky ny mangarahara hatrany,
No adoboka any am-ponja sy hazaina sesilany!

Aza gaga koa isika raha fiadiana no hafarana,
Fa ho an’ny jiolahy dia izay no tena lohalaharana,
Handripahany ny hafa izay manelingelina azy,
Sy hiarovany ny namany,tsy higadra, tsy ho voasazy.

Ireo “be kibo” efa mivondraka, mampiaiky ny vahoaka,
No vao mainka toa mibontsina sy efa mila ny hipoaka,
Fa iretsy fisa-kibo sy efa kely ny eny an-tanany,
Toa vao mainka esorina aminy ny rehetra mba ananany!

…Dia mba inona àry izany no entinao hiarovan-tena,
Manoloana ireo “mpamatsy” sy “ny iraisam-pirenena”,
Ny amin’iretsy volabe izay toa nanjavona tanteraka?
(Tsy nisitraka an’izany anie ny ory sy ny reraka!)

Sa dia fafy lainga hatrany no hany sisa ianteherana,
Mba ho fanadiovan-tena sy ho fiarovan-toerana?
O ry olona tsy marina nefa hita ho mihangetroka,
Izato lainganao, tsarovy fa tsy maintsy ho vaky betroka!

…Donga takona ny lainga hoy ny manam-pahendrena,
Fa mahia raha mifanatrika ka meteza hitsara tena.
Sady mbola averina eto mba ho fehin’ny androany
Fa “ny marina irery no hany handova itony tany”!

DADAN’i RIANA (01-12-21)