Fifanatrehan’ny depiote sy ny governemanta – Fisolelafana no betsaka fa tsy tena ilay maharary ny vahoaka

Helisoa

Tapitra omaly, ny fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, nandritra ny 2 andro, teny amin’ny CCI Ivato. Ny zavatra tsapa dia tsy araka izay andrasan’ny vahoaka no nitranga, fa toa fisaorana sy fisolelafana ny minisitra izao sy ny Praiminisitra ary ny fitondràm-panjakàna, no nibahana tao anatin’ny 5 minitra anjaran’ny tsirairay ary tapitra teo ny fotoana.

Tsy voalaza ilay zavatra maharary ny vahoaka any amin’ny faritra nifidy azy. Ny zavatra hita amin’ireo depiote mpanohana ny fitondràna dia ny filazàna, fa mandeha ary tena miasa ny mpitondra fanjakàna, fa jamba tsy mahita ny zavabita hono ny sasany. Tena miasa hono ny mpitondra ary mihazakazaka amin’ny fampandrosoana ny firenena. Dia gaga ny rehetra maheno izany, satria tena jamba tokoa ve ny Malagasy, ka tsy mahita ny zavabitan’ny fitondràna ankehitriny ? sa ny mpitondra fanjakana no mivalampatra amin’ny karamabe sy ny tombontsoa maro dia tsy mahatsapa ny fahorian’ny vahoaka, izay efa tena mikaikaika indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra manerana an’i Madagasikara? ny eto an-drenivohitra efa tsy hita intsony izay hambara.

Vokatry ny tsy firaharahiana ny vahoaka Malagasy dia lasa misy ireo mitarika ny olona hidina an-dalambe satria mpitondra tsy mahita ny fahoriana sy fahasahiranana mahazo ny vahoaka Malagasy no misy eto. Eo ny fiakaran’ny vidim-piainana izay tsy takatry ny fahefa-mividin’ny Malagasy intsony. Ny saram-pitsaboana eny amin’ny hopitaly izay lazaina fa maimaimpoana, nefa ny mifanohitra amin’izany no hita, sns…

Ny tsara indrindra anefa dia ny mifampihaino, nefa rehefa tarafina amin’ny zavatra hita teny amin’ny fivorian’ny solombavambahoaka aloha dia lavitry ny afo ny kitay, fa raha ny lazain’ny mpanohana ny fitondràna dia paradisa i Madagasikara. Sao dia ny mpitondra mihintsy aza no manao be marenina sy jamba tsy mahita ny fahorian’ny Malagasy e?