Vovonan’ny Sekoly Tsy Miankina – Mikorosy tanteraka ny fanabea-zana eto amintsika

Aly

Naneho ny heviny mahakasika ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fampianarana eto amintsika amin’izao fotoana, ny Vovonan’ny Sekoly tsy Miankina eto Madagasikara tamin’ny alalan’Andriamatoa Célin Rakotomalala.

Nambarany fa mikorosy fahana tanteraka amin’izao fotoana ny fampianarana eto amintsika, tsy mbola nisy teto hatramin’izay izany taom-pianarana na calendrier scolaire tsy misy datim-panadinana izany hoy ity mpanabe ity. Programam-pampianarana ihany koa hoy izy tsy misy, nefa ny fandaharam-potoana avoaka. Loza mihantona hoy ny mpianatra, ny mpampianatra ny ray aman-dreny, hoy ihany ity talem-paritry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny faritra Analamanga teo aloha, ny tsy fisian’ny datim-panadinana hatramin’izao.

Ny tsy fampitovian’ny fitondrana ny fanampiana atao amin’ny sekolim-panjakana, sy ny tsy sekoly tsy miankina ihany koa dia anisan’ny vato misakana amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara.