CCI Ivato – Tsy voavahan’ny governemanta ny ankamaroan’ny olam-bahoaka

Isambilo

Notanterahana nandritra ny 2 andro teny amin’ny CCI Ivato omaly sy afak’omaly, ny fihaonana teo amin’ny governemanta tarihan’ny Praiministra Ntsay Christian, sy ireo depioten’i Madagasikara. Maro ireo fangatahana nataon’ireo solombavambahoaka nandritra izany: eo amin’ny resaka Jirama: ny rano sy ny jiro tapaka nefa ny faktiora tsy maintsy aloha; ny rano dia tena maro ireo distrika mijaly rano, tapatapaka foana, maloto be, sns… misy isaky ny 03 andro, na herinandro vao mandeha ny rano. Toy izay ihany koa ny jiro, mbola misy olana foana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana: maro ireo fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina ny hanangana EPP manara-penitra, teo koa ny fampanantenana cantine scolaire, nefa izao mbola tsy hita ihany ny ankamaroan’izany.

Ny sehatry ny varotra: tamin’ny andron’ilay minisitry ny varotra teo aloha dia nisy ny fahasahiranana sy ny fiakaran’ny vidin’ny entana PPN; ankehitriny efa nisolo kanefa mbola tsy hita ihany izay vahaolana, fa vao mainka ary miakatra ny vidim-piainana, ka nisy ny Solombavambahoaka nangataka ny fialan’ny minisitry ny varotra amin’izao raha mbola tsy ahitam-bahaolana izy ity. Ny depioten’Ambovombe Androy Milavonjy dia nanome isa 0 mihitsy ity ministry ny indostria sy ny varotra ity. Tsy tonga any Atsimo hoy izy izany simenitra mora izany, toy izany koa ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro. Ny vidin’ny lavanila mitontongana tsy misy vahaolana.

Mahakasika ny faharatsian’ny lalana, izay antoky ny fampandrosoana sy ahafahana mamoaka ireo vokatra, tokony hojerena koa izany. Nisy koa ny fitarainan’ireo vahoaka notaterin’ireo depiote, fa tena efa mihoatra ny loha mihitsy ny vola alain’ireo police de la route amin’ireo mpamily fiarakodia. Nisy fangatahana fanorenana sy fanavaozana foto-drafitr’asa: CSB II. Ny CSB manara-penitra natsangana tsy ampy mpitsabo. Betsaka ireo tantsaha izay mitaraina, satria tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ireo zezika sy masomboly, kanefa dia 80% ny vahoaka malagasy dia tantsaha avokoa ary mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana.

Any amin’ireo distrika maro, tena manjaka ny tsy fandriampahalemana: ao ny halatr’omby: tena mamono mihitsy ny dahalo, ny kidnapping, ny mpanendaka, sns… ary nisy ny fanamarihana manokana momba ireo zandary tsy manao ny asany mihitsy. Ny momba ny henomby: ny zavatra mahagaga amin’ny resaka henan’omby dia nilaza ny Solombavambahoaka avy any Tsiroamandidy, fa ny vidin’ny omby tsy miakatra nefa ny vidin’ny henan’omby aty Antananarivo miakatra ka mila jerena manokana ny mikasika izany.