Tsy fanekena ny CENI vaovao – Nametraka taratasy amin’ny filoha Macron ireo Malagasy any ivelany

Noho ny tsy fanekena ny CENI, na Vaomieram-Pirenena Misahana ny Fifidianana vaovao, nanatitra taratasy ho an’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tao amin’ny Lapan’i Elysée tamin’ity herinandro ity ireo Malagasy monina sy miasa any ivelany.

Mangataka fampiatoana ny famatsiana vola ny CENI amin’ny endriny ankehitriny, tamin’ny fanjakana Frantsay ireo Malagasy mipetraka any an-dilambato ireo. Ao anatin’izany, nametraka fampahafantarana koa ireo teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay ireo, naneho ny tsy fankasitrahany ny fanohanan’ny Repoblika Frantsay na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona, ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) eto Madagasikara, izay nofidiana ihany koa tamin’ny kiantranoantrano.

Amin’ny maha olom-pirenena Frantsay mandoa hetra azy ireo dia tsy ekeny velively ny fanampiana ara-bola ataon’ny Fanjakana Frantsay, io Vaomiera izay miloko volon-daoranjy io, ka mety hanodinkodina ny safidim-bahoaka manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy amin’ireo fifidianana ho avy. Solontenan’ireo Malagasy monina any Frantsa sy La Réunion izy ireo.