Antananarivo Renivohitra – Tsy voavahan’ny kaominina mihitsy ny olan’ny fako

Beharo

Tsy voavahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra(CUA) sy ny ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina mihitsy ny olan’ny fako eto Antananarivo Renivohitra. Miverina mivangongo indray amin’izao fotoana ny fakon’Antananarivo. Manontany ten any maro, aiza ireo fiara vaventy (kamiao ) an’ny Kaominina?

Mbola tsy maty ao an-tsain’ny maro tamin’ny fotoanan’ny fifidianana ben’ny tanàna ny 27 novambra 2019, ireo antsoantso nataon’ny kandida Naina Andriantsitohaina namelezana an-dRamatoa Lalao Ravalomanana, fa mamofona ny tanàna, ka tokony hifidy azy, fa misy ihany koa kamiao 11 vaovao hamonjena ny fanadiovana eto an-drenivohitra, fa tsy hiaina ao anatin’ny fako etsy sy eroa, sady marary no mahamenatra izao hoy izy sy i Andry Rajoelina. Ankehitriny anefa, manoatra lavitra noho ny tamin’izany fotoana ny fakon’ny renivohitra.

Tsorina fa raha mbola vao 2 taona mahery monja izao, tsy hita izay vokatra mahafa-po, fa ireo fako dia miverina mivangongo, manimba ny fiaraha-monina samihafa, ny kamiao samba sahady ny ankamaroany ary ny Bull koa eny Andralanitra toa olana. Mazava araka izany fa nanao izay nahazoam-bato sy toerana fotsiny ny ben’ny tanàna ankehitriny raha izao ny zava-mitranga, izy no nampalaza ny fako, tsy misy famonjena maika azo atao ireo fiara vaventy simba, fa dia hanofa fiara sy “engins ” hafa indray hono ny CUA.

Tsorina hoy ireo mpanara-baovao politika, fa rehefa akaiky fifidianana hatrany vao mody manadio ny tanàna sy mandamina ny toeram-piantsonana fitaterana ary manamboatra ny làlana simba ry zareo ireo, mba ho famenon’ny propagandy izay hatao, nefa efa fitaka tanteraka. Amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao ohatra, sady fotoana mahabe ireo fako toy ny hodi-boankazo: laodisia, manga, paiso… sy ranom-potaka mivangongo etsy sy eroa, dia mba miezaka ny mpamafa làlana, fa dia ilay dabam-pako hatrany sy ireo kamiao hitatitra, no efa mampiteny ny moana mihitsy, tsy hitan’ i Vazahabe, ka sao mampihinana ny IEM manara-penitra eo indray.