Mpiaro ny zon’ny mpanjifa – Hidina an-dalambe amin’ny zoma 10 desambra ho avy izao

Helisoa

Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy misy farany, izay iainan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny dia nampiaka-peo ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa, fa tsy zaka intsony ny fahasahiranana mahazo ny mponina manoloana izany.

Araka izany dia tafapetraka omaly teny amin’ ny Biraon’ ny Prefektoran’ ny Polisy eto Antananarivo, ny taratasy fampahafantarana ny hetsika fidinana an-dalambe hataon’ ny Mpiaro ny Zon’ ny Mpanjifa sy ny Olom-pirenena, izay hatao ny Zoma 10 desambra 2021 ho avy izao.

Noho ny tsy fisian’ny kianjan’ny demokrasia ahafahana maneho hevitra, dia nangataka ny kianjan’ny 13 mey Analakely izy ireo. Marihina fa efa nampahafantarina ny sehatra iraisam- pirenena izao hetsika izao, izay naterina teny Andraharo misy ny Biraon’ ny Firenena Mikambana ny taratasy mikasika izany.