IREO AKOHOVAVIN’i BOAIKELY

Ahoana ireto akohovavy miady lava mifamely,
Sa ialahy natao hifehy no tena donto ry boaikely?
Sao mba misy amin’ireo no efa tokony ho voasazy,
Sa dia hosarahim-potsiny, tsy ampiraisina garazy?

Samy miady ny ho lohany ary samy te haneno?
Ireny ve no nofantenana? tena tsy izy fa teneno!
Mbola toy ny mianatra asa sady tsy ampy fahazarana.
Sa ireo no “tsara volo” tian’ialahy mba hilaharana?

Dia ny miara-maka sary amin’ireo no mahajenitra,
Fa izay amin’ialahy no dikan’ny “manara-penitra”?
Tsy fitiavana hanaratsy na koa hoe hanasoketa,
Fa hatreto, tsy mahomby ry “be vava” sy ry “veta”!

Koa amboary sy teneno mafimafy indray ny ekipa,
Fa dia maro, tena maro no manondrana ry sipa.
Raha mitohy ny toy izao dia tena ialahy no ho ratsy laza,
Ka esory ny akohovavy mbola mifanahin-jaza!

DADAN’i ZINA (02-12-21)