RMDM sy ny vahoaka tsy ankanavaka – Hirohotra ao Behoririka hitondra tolo-tanana ho an’i Farafangana

Isambilo

Hirohotra ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny avy amin’ny RMDM, Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, sy ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka rahafak’ampitso sabotsy 4 desambra 2021, hitondra tolo-tanana ho an’ireo havana maro may trano tany Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana.

Handray anjara amin’izany voin-kava-mahatratra izany avokoa ireo antoko sy fikambanana rehetra ao anatin’ny vondron’ny mpanohitra RMDM, ary tsy izy ireo ihany, fa ireo olona rehetra tsy ankanavaka mpanao asa soa ihany koa. Ny fanomezana amin’izany dia mety ho vola, lamba fitafy, sakafo, zavatra samy hafa,… izay heverin’ireo mpanome fa ilain’ireo tra-boina any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ireo.

Amin’ny 9 ora maraina no hanomboka ny fandraisana ireo voatsirambin’ny tanana amin’ny sabotsy io, tsy hifarana raha tsy hariva ny andro. Heverina fa anisan’ny handray anjara amin’izao asa soa hatao izao, ny filohan’ny RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko TIM, ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy maintsy hilaza ny heviny izy mandritra izany, ny amin’ny fijoroan’ny CENI nanao fianianana omaly tetsy Anosy iny, hanamafy fa rafitra mitanila io rafitra mpikarakara fifidianana io, amin’izao endrika sy firafiny izao, ka tokony ho ravana. Hilaza koa izy ny momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny izay tsy mandeha amin’ny laoniny. Sabotsy izany mifankahita ao Behoririka.