Parlemantan’ny tanora hono – Tandrametaka sy bontolo ny fanaovana ny fifidianana

Ny Valosoa

Miteraka resabe manerana ny faritra ny fifidianana izay hisolotena ny tanora, eo anivon’ny antenimiera roa tonta, manerana ny faritra amin’izao fotoana, satria ny fifidianana dia atao tandrametaka sy bontolo ary misy kajikajy koa, satria dia sarintsarina fifidianana no atao, fa ireo Governora sy ny talem-paritry ny tanora isam-paritra, efa manendry olona hisolotena ny tanora ao amin’ny faritra iadidiany, ka amin’ny alalan’ireo association eo anivon’ny renivohitry ny faritra izay miray petsapetsa aminy no antsoina mifidy.

Azo antoka fa tsy hahasolo tena ny tanora ireo tanora tafapetraka eo, satria tsy ny tanora rehetra no mandray anjara amin’ny fifidianana izay hitondra ny hetahetan’izy ireo eo anivon’ny antenimiera roa tonta. Raha tokony ho natao ny 30 novambra teo ity fifidianana ity dia nahemotra ny 3 desambra izao, ho an’ny faritra sasany, raha misy kosa ireo efa nahavita, satria tokony hiakatra aty Antananarivo ny 4 desambra izao ireo lany. Misy amin’ireo faritra efa nahavita fifidianana no efa andalana ny solontenan’izy ireo, izay ny ministera vao nilaza fa ny 13 desambra indray ny fivoriana ho an’ireo mpitondra tenin’ny tanora lany. Isan’ny tratran’izay ny avy any Maintirano, satria noho ny halavirana dia niala ny 30 novambra maraina izy ireo, ka asa izay momba an’izy ireo amin’izao fotoana, fa izany no zava-misy .

Raha izao zava-mitranga izao dia tsy hisy fifidianana madio izany intsony eto Madagasikara, satria toy ny natao tamin’ny fananganana ny CENI sy ny holafitry ny mpanao gazety teo ireny daholo ny zavatra hitranga, fifidianana kitoatoa sy amboletra fotsiny.