Faniry Razafimanantany – Tsy tana ny vahoaka rehefa hitroatra raha feno ny kapoaka

Niaina

Manoloana ny olana samy hafa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, nilaza ny heviny tao amin’ny fandaharana Miara-Manonja, tao amin’ny Radio Mada, sy tao amin’ny Radio sy ny Televiziona MBS ny mpanao gazety Faniry Razafimanantany. Nambarany tamin’izany fa rehefa tonga amin’izay fahatapahan-keviny izay ny vahoaka, rehefa feno ny kapoaka, rehefa mipoaka ny sarom-bilany, na dia miseho azy ho matanjaka aza ny fitondrana, dia tsy ho voasakana izy ireo hihetsika.

Izay aleha rehetra, miha-mafana, misy “tension” mafàna amin’izao fotoana, hoy Faniry. Misy zavatra maro, ara-tsosialy izay miteraka adi-hevitra, miteraka fihetsehana ihany koa, miseho amin’ny endriny samihafa, ohatra: mahakasika ny rano, nampitokona ny mponina teny Itaosy ka nilanjana sora-baventy na “pancarte” , misy soratra hoe LBP- SNBV izay milaza ny tsy fahafalian’ny mponina. Torak’izany ihany koa ny teny Ankatso vao afak’omaly alina, ny teny Ambatomaro, samy resaka rano daholo. Isehoan’izany ihany koa ny resaka ady tany, izay matetika iadiana amin’ireo karana, toa an’ny ey Amboanjobe, ny eny Laniera, izay mahatratra 50 ha, ny eny Ambolonkandrina, ny any Nosy Be Hell-Ville, ny any Toamasina,… Misy ihany koa ny fanalàna ireo mpivarotra eny Alakamisy-Anosiala, izay ny Ben’ny Tanàna mihitsy no manao fanaparam-pahefana. Niakatra fitsarana ity raharaha ity, ka amin’ny 8 desambra izao no voalaza fa hivoahan’ny didy. Ao koa ireo mpitondra Taxi-moto, izay nosamborina nisesisesy kanefa narovan’ny olona. Izany rehetra izany hoy i Faniry, no nahatonga ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa hanao hetsika mialohan’ny 15 desambra, satria ao anatin’ny mpanjifa daholo ny ankamaroan’izany rehetra izany.

Mamofompofona fipoahana ara-tsosialy ny zava-misy eto amintsika.